"Izay efa tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren'ny voninahitr 'ity zava-miafina ity any amin'ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra."- KM. 1:27.
"Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." — Jao. 14:3
Mofon'Aina: Valonjato sy arivo taona mahery no lasa hatramin'ny nampanantenan'ny Mpamonjy ny hiverenany indray. Nandritra ny taonjato maro dia nameno herim-po ireo nahatoky taminy ny teniny. Tsy mbola tanteraka ilay fampanantenana saingy tsy latsa-danja amin'izany ny teny izay voalaza.
"Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa taonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra."— Mat. 5:16.
"Tsy niasa irery ireo mpanompon'Andriamanitra mahatoky. Raha nivondrona hamely azy ireo ny fanjakana sy ny fanapahana ary ireo fanahy ratsy eny amin'ny rivotra, dia tsy mba nandao ny olony ny Tompo. Raha mba azo nosokafana mantsy ny mason'izy ireo, dia ho nahita porofo mazava tokoa ny amin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fanampiany izy, toy izay nitranga tamin'ny mpaminany iray fahiny.