Hodinihina mandritra ny herinandro: Gen. 10:1-12; Gen. 12:1-9; 1 Sam. 8:4-18; Mat. 20:25-28; Apôk. 18:1-4.
Tsianjery: "Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava." - Dan. 7:14.
Mampiseho ny vahaolana entin'Andriamanitra ho an'izao tontolo izao lavo ny bokin'ny Apokalipsy. Hita ao amin'ireo toko farany fa afaka hiverina eo amin'ny hazon'aina indray ny olona, afaka ny ozona, ary ho afaka hifanatrika amin'Andriamanitra indray isika. Amin'ny lafiny iray, ny Apokalipsy dia toy ny bokin'ny Genesisy mivadika, ary izany no mahatonga ny Genesisy hanan-danja lehibe amin'ny fahatakarana ny fomba nipoiran'ny olana teto amin'izao tontolo izao tany am-boalohany.
Anisan'ny olana lehibe voalaza ao amin'ny Daniela sy ny Apokalipsy ny fitondram-panjakana eto an-tany; mifandimby manao izay hifehezana ny tany manontolo ny olombelona, nefa Andriamanitra no tompon'izany ara-dalana. Rehefa mifarana mandrakizay ity vanim-potoana mahatsiravin'ny fahotana sy ny fikomiana ity, dia hanjaka amim-pahamarinana amin'izay Andriamanitra.
Dingana maro vao ho tonga amin'io fotoana io; misy arivo taona maro nanandraman'ny olombelona ny fitondram-panjakan'ny tenany. Tsy nahomby velively anefa izany; na ireo izay naneho ny idealy ambony indrindra aza dia tsy nahatratra izany idealy izany, ary matetika no tena lavitra izany mihitsy. Ny tantara mampalahelon'ny olombelona ankapobeny nandritra ny arivo taona maro, dia tsy inona fa tantara mahonenan'ny fiantraikan'ireo rafitra tsy nahomby ireo teo amintsika. Ary mainka hiharatsy aza izany mandra-piorin'ilay "fanjakana mandrakizain'Andriamanitra" (Dan. 7:27) amin'ny farany.
*Famerenana ny lesona ny sabata 26 Aprily.