«Ka ho reraka ny fon'ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin'ny tany.» - Lio. 21:26.
Mofon’aina:
Raha mba ao an-tsain'ny vahoakan'Andriamanitra mantsy ny faharavana mananontanona ireo tanàna an'arivony izay saika voatolotra manontolo amin'ny fanompoan-tsampy ankehitriny! (...)
Vao tsy ela akory izay dia nisy tranga mahatalanjona niseho teo anatrehako. Nahita vaingan'afo lehibe nilatsaka teny amin'ny trano tsara tarehy aho izay nitarika ny faharavan'izy ireo niaraka tamin'izay. Nandre olona niteny aho hoe: «Fantatsika fa tonga amin'ny tany ny fitsaran'Andriamanitra saingy tsy noheverintsika ho haingana toy izao ny fiaviany». Dia hoy ny hafa: (...) Nahoana no tsy nilaza izany taminay ianareo? Tsy nahalala izany izahay». Nandre teny toy izany hatraiza hatraiza aho (...)
Loza maro mampalahelo no hihatra amin'ny firenena afaka fotoana fohy (...) hatramin'ny fiavian' i Jesôsy. Araka izay tsy mbola natao hatramin'izay dia tokony hiezaka mafy isika hanompo Ilay nanomana ny seza fiandrianany any an-danitra ka ny fanjakany dia eo amin'izao rehetra izao. Tsy nandao ny vahoakany Andriamanitra ary ny tanjatsika dia ao amin'ny tsy fandaozantsika Azy.
Eny amin'ny firenena ny fitsaran'Andriamanitra. Ny ady sy ny filazan' ady, ny fahapotehana avy amin'ny afo sy ny tondra-drano, dia milaza mazava tsara fa efa akaiky ny fotoan-tsarotra izay tsy hitsaha-mitombo (...). Tsy manana fotoana holanina isika. Lian'ady izao tontolo izao. Ireo faminaniana ao amin'ny Daniela toko 11 dia efa hahatratra ny fahatanterahany farany. (...)
Tranga iray mahatahotra no naseho teo anoloako (...) raha iny hifoha iny aho. Toa nifoha tamin'ny torimasoko aho saingy tsy tao an-tranoko. Avy teo amin'ny varavarankely no nahafahako nahita haintrano mahatsiravina. Vaingan'afo lehibe no nilatsaka tamin'ny trano, ka nipitika teny rehetra teny ny afo avy tamin'izany vaingana izany. Tsy azo natao ny namehy ny afo nirehitra ka toerana maro no rava. Tsy hita hofaritana ny tahotra nahazo ny olona.
Ho mafy indrindra ny hanjo ny tanàn-dehibe. Tsy hihatra aminy anefa ny fahatezeran'Andriamanitra lehibe indrindra, satria fanahy marobe no (...) hibebaka sy hiova fo, na dia eo koa aza ireo vahoaka ankapobeny izay hirakitra fahatezerana ho amin'ny andro fahatezerana. — Ma, t. 25