"Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy. (...) Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany." Jao. 3:18, 20, 21; ampitahao amin'ny Jao. 1:10.
Nahoana ny olona no tsaraina? Jao. 3:18,36; Jao. 5:24,38; Jao. 8:24; Jao. 12:47.
Mahatonga antsika hisokatra ho amin'ny fisalasalana sy ny fakam-panahin'ny devoly ny fandavana an'i Jesôsy Kristy, ilay Fahazavan'izao tontolo izao. Fiodinana amin'ny fahazavana ho amin'ny haizina izany.
Nomena fahazavana i Eva mahakasika izay tsy azony atao amin'ilay hazo teo afovoan'ny saha. Naka fanahy azy Satana mba hisalasala ny amin'izany fahazavana izany. Nozahan-dravehivavy toetra ny tenin'Andriamanitra ka nisaina izy fa tsy hanimba ny voary izay nohariany ny Andriamanitra iray izay fitiavana. Niantehitra tamin'ny fahalalany araka ny retsi-pandreny koa izy. Efa nihinana tamin'ilay hazo ilay menarana ka indro afaka miteny ankehitriny; noheveriny araka izany fa marina izay nambaran'ity menarana ity. Raha toa aho maka amin'ilay hazo dia ho tonga tahaka an'Andriamanitra! Voafitaka izy ka niala tamin'ilay fahazavana, ary nifidy izany lalana izany koa ny vadiny.
Vakio ny Mat. 4:1-4. Inona ny fitsipika nampiharin'i Kristy tany an'efitry ny fakam-panahy mba hanoherana ny famitahan'i Satana?
Sain'olombelona tahaka ny an'i Adama sy i Eva, sy ireo olona talohan'ny Safodrano, ary ireo Isiraelita tao Kadesy Barnea ihany no tao amin'i Kristy. Azony natao ny nanontany ny amin'ny anton'ny hamelan'Andriamanitra fitiavana ny Zanany lahy ho any an'efitra mandritra ny 40 andro sy alina kanefa tsy misy hanina na fiarovana. Azony natao koa ny nanapa-kevitra ny haneho ny maha- Zanak Andriamanitra Azy, tamin'ny fanovana ny vato ho mofo! Tsy izany anefa no nataony, fa novaliany tamin'ny Tenin'Andriamanitra i Satana. Niasa araka ny fomban'ny lanitra Izy fa tsy araka ny fisainan'ny tany. Ho mora taminy tokoa ny nitady fialan-tsiny eo anatrehan'ny fanapahan-kevitra ratsy. Maro ny olona manao izany matetika na dia ireo olon'ny finoana aza, saingy tsy nanao izany Izy.