Ambaran'ilay apôstôly mazava ao amin'ny Jao. 1:1 fa Andriamanitra i Jesôsy, Zanak Andriamanitra Izy. Araka izany, ny fiainana ao amin'ny hoe "Izy no nisiam- piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona" Jao. 14, dia manondro ny fiainan Andriamanitra amin'ny maha-mandrakizay Azy. Noho ny fananany ny fiainana, dia azony atao ny manolotra ny Ainy sy mandray izany indray (Jao. 10:17). Ary noho ny fananany fiainana ao Aminy, dia azony atao ny manome fiainana ho an'izay tiany (Jao. 5:21; ampitahao amin'ny Jao. 14:19).
In-36 no ahitana ny teny hoe "fiainana" (zoē) ao amin'ny filazantsaran'i Jaona; mandrafitra ny 25 isanjaton'ny fampiasana io teny io ao amin'ny TV izany. Ao amin'ny Jao. 1:4,5, ankoatra ny firesahana momba ny loharanon'ny fiainana eto amin'ny planeta misy antsika, dia misy ifandraisany amin'ny famonjena koa izany teny izany. Manerana ireo toko ambiny ao amin'ny filazantsaran'i Jaona kosa, dia matetika ny "fiainana" (zoë) no atao hoe "fiainana mandrakizay. ilay teny fikasan'ny famonjena (jereo ny Jao. 3:15,16,36; Jao. 4:14,36; Jao. 5:27,40,47,54,68; Jao. 10:27,28). Araka izany, ilay nanolotra fiainana tamin'ny famoronana ihany no llay mitondra famonjena, fiainana mandrakizay, ho an'ny tontolo iray very.
Nahoana i Jesôsy no tonga teto amin'ity tany ity? Jao. 1:29; Jao. 3:16: Joo. 6:40; Jao. 10:10; Jao. 12:27.
"Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14,15.
Tahaka ny nakan'ilay menarana varahina ny toeran'ireo Isiraelita voakaikitry ny menarana no nakan'i Jesôsy ny toerantsika, isika izay noratrain'ny fahotana. Noraisiny ny famaizana tokony ho antsika mba hananantsika ny fiainana izay ao Aminy.
Irin'i Kristy koa ny hananantsika fiainana ary hananantsika izany be dia be (Jao. 10:10). Koa amin'izany, "izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na ny sitrapon'ny nofo, na ny sitrapon'ny olona, fa naterak'Andriamanitra." - Jao. 1:12,13.
Tonga mba haneho amintsika ny Ray i Kristy. "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Jao. 1:18. Mahita ny toetran'ny Ray isika rehefa mahita ny toetran'i Jesôsy.
Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'ny fiainan'i Jesôsy Inona ny mahakasika ny toetran'ny Ray? Nahoana no vaovao mahafaly izany fanambarana izany?