Mazana ahafantarantsika zavatra betsaka ny fampitahana hevitra anankiroa. Maro ny fahalalana mety ho azontsika momba ny toetry ny fanatitra ara-Baiboly rehefa dinihintsika ny nandavan'Andriamanitra ny fanatitra nataon'ny vahoakany.
Ampitahao ny Isa. 1:2-15 sy ny Isa. 56:6,7 ary ny Sal. 51:17. Inona ireo lesona lehibe ampianarina antsika eto momba ny fanatitra?
Tsy io tranga mampalahelo teo amin'ny tantaran'ny Isiraely io no voalohany nandavan Andriamanitra fanatitra; nisy toe-javatra mitovy amin'izany koa tany am-piandohan'ny tantaran'ny famonjena, rehefa neken'Andriamanitra ny fanatitr'i Abela fa tsy nankasitrahany kosa ny an'i Kaina. Ahafahantsika mampitaha indray ny fanatitra azon'Andriamanitra ekena sy ny tsy ankasitrahany io toe-javatra niseho tany am-boalohany io. (Jereo ny Gen. 4:3-7 sy ny Heb. 11:4.)
Nanaraka fombafomba fotsiny ny Isiraely tamin'ny andron'i Isaia; nanatanteraka adidy ara-pivavahana fotsiny izy ireo mba hampitony an' nampitony Andriamanitra, nefa niaina araka izay tiany ihany. Ny fanatitra nateriny dia niorina tamin'ny fitiavan-tena, tahaka ny an'i Kaina, fa tsy tamin'ny toe-tsaina feno fankatoavana sy fileferana amin'Andriamanitra.
Izany koa no toe-tsaina manentana izao tontolo izao: ny toe-tsaina miseho ho mahavita tena. Naniry hanao izay tiany i Kaina teo amin'ny fiainany. Araka izay heveriny fa mety no nanaovany fombafomba teo anatrehan'Andriamanitra. Azo lazaina ho nanelingelina azy Andriamanitra, nanakana azy tsy hanao izay tiany, saingy natahotra Azy ihany izy ka nanaiky.
Ny fanatitra nangatahin'Andriamanitra kosa no natolotr'i Abela, dia fanatitra nampiseho mazava ny teny fikasan'Andriamanitra momba Ilay Mesía ho avy (Gen. 3:15): zanak'ondry, izay manondro ny asam-pamonjena hataon'i Kristy eo Kalvary.
"Nazava tamin'i Abela ny foto-kevitra lehibe momba ny fanavotana. Nahatsiaro ny tenany ho mpanota izy ka nahatsinjo ny fahamelohany sy ny fahafatesana izay tambin'izany nampisaraka azy tamin'Andriamanitra. Raha nitondra fanatitra alatsa-dra izy dia nanaiky ho diso tamin'ny lalan'Andriamanitra; ka nahita tamin'ny alalan'ilay ra nalatsaka, ny fanavotana hatolotr'llay Mpamonjy ho faty hisolo azy. Izany no sady nahazoany fankasitrahana no nandraisany fahamarinana." - PM, t. 51,52.
Nahoana no zava-dehibe tokoa ny miaro tena mba tsy hanao ny fivavahana ho fombafomba fotsiny? Ahoana no ahafahantsika manao fanandramana ny atao hoe tsy manana fanantenam-pamonjena isika afa-tsy amin'ny fianteherana tanteraka amin'ny fahafatesan'i Jesôsy ho antsika?