Ny hafatr'i Jesôsy farany (Jao. 13-17) dia nanome toromarika ny mpianany mikasika ny hoavy. Mitovy firafitra amin'ny hafatra farany nataon'i Mosesy ao 'ny Deoteronomia, na ilay tsodranon'i Jakoba ho an'ireo zanany (Gen. 47- amin 49), na ilay hafatrafatr'i Davida tamin'i Sôlômona (1) Tant. 28-29), ny nanoratana io hafatr'i Jesôsy farany io. Nampionona ny mpianany mahakasika ny tsy maintsy handehanany i Jesôsy. Nanome toky Izy fa haniraka ny Solon-tenany (ny Fanahy Masina; Jao. 14-16). Nambarany mialoha fa hisy ny fahoriana (Jao. 15-16), ary miantso ny mpianany Izy mba hitoetra ho mahatoky (Jao. 15).
Vakio ny Jao. 13:1-20. Inona no mitranga eto, ary nahoana no manan-danja lehibe io tantara io? Inona ny lesona tian'i Jesôsy hampianarina?
Tany amin'io faritra io, tamin'ny andron'i Jesôsy, dia nanao kapa ny olona na nandeha tsy nikiraro. Koa vetivety dia feno vovoka sy naloto ny tongotra. Fomban'ny mpanompo na ny andevo tamin'izany ny nanasa ny tongotr'ireo izay tonga mba hisakafo. Tamin'io alina mialoha ny hisamborana an'i Jesôsy io anefa, izay niarahany nisakafo farany tamin'ny mpianany, dia tsy nisy mpanompo hanao izany raharaha izany.
Gaga izy ireo fa i Jesôsy no nitsangana nanasa ny tongotr'izy rehetra. Tantaraina amin'ny tsipiriany ao amin'ny Jao. 13:4,5 ny fihetsik'i Jesôsy; nasongadina manokana mantsy Ilay mpampianatra nanao izany fihetsika tsy mampino feno fanetren-tena izany.
Ny valin-tenin'i Petera voasoratra ao amin'ny Jao. 13:8-11 dia mampiharihary ny fahadisoan-kevitry ny mpianatra sy ny tsy fahatakarany ny fihetsik'i Jesôsy. I Jesôsy, Izay Mpampianatra sy Mesia ve no manao asa ambany toy izao? Tsy namela an'i Jesôsy hanasa ny tongony i Petera, kanefa nilaza i Jesôsy fa raha tsy manaiky hosasana izy dia tsy hanana anjara Aminy. Dia nangataka mihoatra noho izany indray i Petera, naneho ny faniriany hifandray tsy tapaka amin'i Jesôsy.
Mifandray amin'ny maha-lzy Azy ny mahazava-dehibe ny fihetsika nasehon'i Jesôsy. Ambarany ao amin'ny Jao. 13:13 fa Izy no Tompo sy Mpampianatra. Izany no anarana niantsoan'izy ireo Azy, ary nohamafisin'i Jesôsy fa izany tokoa. Maneho fahefana sy hery izany anarana izany. Mampianatra anefa i Jesôsy fa natao hampiasaina ho amin'ny fanompoana io fahefana sy hery io, fa tsy hanandratan-tena tsy akory. Manaraka io ohatra maneho fanetren-tena navelan'i Jesôsy io ny fiangonana advantista, dia ny fifanasan-tongotra, ho fiomanana ho amin'ny fandraisana ny fanasan'ny Tompo.
Inona no ampianarin'ny fanompoam-pivavahan'ny fifanasan-tongotra anao momba ny fanarahana ny dian'i Jesôsy sy ny fanompoana ny hafa amim-panetren-tena?