Tahaka ny tsy nahafahan'llay mpanompo nanefa ny frosany tamin'ny tompony no tsy ahafahantsika manefa ny trosantsika amin’Andriamanitra. Tsy ho mendrika na oviana na oviana ny fitiavan’Andriamanitra isika. "Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy." Rôm. 5:8. Fitiavana mahatalanjona manao ahoana re izany! Tahaka izao no ilazan'ny 1 Jao. 3:1 Izany: "Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!"
Azontsika atao ary tokony hataontsika ny mampiseho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny hafa araka izay tratrantsika. Raha fiantrana sy famelan-keloka lehibe tahaka izany no efa noraisintsika, manao ahoana moa no tokony hanehoantsika fiantrana sy famelana amin'ny hafa? Aoka hotsaroantsika fa verin'ilay mpanompo ny fiantran'ny tompony sy ny famelany heloka noho ny tsy nanehoany ireo tamin'ilay mpanompo namany. Raha tia an Andriamanitra marina tokoa isika, dia haneho taratra ny fitiavany amin'ny hafa.
Vakio ny Jao. 15:12: 1 Jao. 3:16 ary ny 1 Jao. 4:7-12. Inona no ampianarin'irea toko sy andininy ireo antsika momba ny fifandraisan'ny fifiavan’Andriamanitra sy ny fifiovantsika Azy ary ny filiavantsika ny hafa?
Izao no nambaran'i Jesôsy tamin'ireo mpianany taoriana kelin'ny Jao. 15:12: "Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo." Inona ary no nandidian'i Jesôsy azy ireo? Ankoatra ireo baiko hafa, dia nandidy azy ireo (sy antsika) i Jesôsy mba hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo. Eto sy any amin'ny toko sy andininy hafa, mandidy antsika ny Tompo mba ho tia an'Andriamanitra sy ho tia ny namantsika.
Raha fintinina, tokony hahatsapa isika fa nafoy ny trosa tsy manam-petra tokony hefaintsika; tsy ho voaefantsika na oviana na oviana izany, trosa izay naloa ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana irery ihany. Araka izany, tokony ho tia sy hisaotra an Andriamanitra isika ary haneho fitiavana sy fahasoavana amin'ny hafa. Araka izay ampianarin'ny Lio. 7:47, dia lehibe ny fitiavanizay voavela heloka be, "fa izay voavela tamin'ny kely dia kely fitiavana." Ary iza amintsika moa no tsy mahatsapa fa efa voavela heloka be?
Raha mitaky ny hitiavana ny namantsika ny fitiavana an'Andriamanitra, dia tokony ho dodona isika hizara ny hafatry ny fitiavan'Andriamanitra, amin'ny teny sy amin'ny asa. Tokony hanampy ny hafa eo amin'ny fiainany andavanandro isika. Aoka hokatsahintsika izay hahatonga antsika ho mpitondra ny fitiavan'Andriamanitra ka hampitodika ny olona amin'llay manolotra azy ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay any amin'ilay lanitra sy tany vaovao-dia ilay tontolo iray vaovao tsy tahaka ity tany ity simba sy ravan'ny fahotana sy ny fahafatesana, izay vokatra mahonenan'ny fandavana ny fitiavan'Andriamanitra.
Inona ny dingana manokana azonao atao mba hitiavana an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitiavana ny hafa? Inona no azonao atao ankehitriny sy amin'ny hoavy mba hanehoana amin'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra ary koa mba hanasana azy ireo hiaina ny fifalian'ny fananana ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay?