Tsy manontany antsika fotsiny Andriamanitra hoe: “Moa tia Ahy va ianao?" fa Izy koa aza dia tia ny olona tsirairay, ary tia antsika tsy vozonana. Eny tokoa, mihoatra noho izay mety hiheverantsika azy no itiavany anao sy ahy sy ny olona hafa rehetra.
Vakio ny Eks. 33:15-22 ka diniho ny tantara sy ny tontolon-kevitra misy ireo andininy ireo. Inona no ambaran’ireo momba ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitiavany, indrindra ny and. 19?
Toa very maina avokoa ny zavatra rehetra. Tsy ela taorian’ny nanafahan’Andriamanitra ny vahoakany tamin’ny fanandevozana tao Egipta dia nikomy tamin’Andriamanitra ny Isiraely ary nivavaka tamin’ny ombilahy kely volamena. Hitan’i Mosesy ny nataon’izy ireo rehefa nidina avy tany an- tendrombohitra izy, ka nazerany tamin’ny tany ary potika ireo vatofisaka nirakitra ireo Didy folo. Efa verin’ny vahoaka ny tombontsoa sy ny fitahiana nomen’Andriamanitra malalaka azy tao anatin’ny fanekena; na izany aza anefa dia nifidy an-tsitrapo ny hifandray amin’izy ireo araka ny fanekeny Andriamanitra, na dia tsy mendrika ny fitahiana avy amin’izany fanekena izany aza ny vahoaka.
Matetika ny olona no diso fandray izay voalaza ao amin’ny Eks. 33:19 hoe: “hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’izay hamindrako fo", ary mihevitra fa mizaha tavan’olona Andriamanitra ka miantra sy tsara fanahy amin’ny sasany, fa tsy mba toy izany amin’ny sasany. Raha ny tontolon-kevitra eto anefa dia tsy milaza tsy akory Andriamanitra fa ny sasany no hiantrany sy hamindrany fo, ary ny sasany kosa tsy hiantrany sy tsy hamindrany fo. Tsy mba toy izany ny toetran’Andriamanitra, ary mifanipaka amin’ny finoan’ny maro hoe: misy olona efa nalahatr’Andriamanitra ny anjarany ka tsy maintsy ho very sy ho voaheloka mandrakizay.
Koa inona àry no tian’Andriamanitra hambara eto? Izao no votoatiny: amin’ny maha-Mpahary izao rehetra izao Azy dia manan-jo sy fahefana Andriamanitra hangoraka sy hiantra na dia ny olona tsy mendrika indrindra aza, kanefa tsy misy manery Azy hanao izany. Ary izany indrindra no ataony eto: mamindra fo amin’ny vahoakany Izy, dia ny Isiraely, na dia tsy mendrika izany aza izy ireo.
Iray amin’ireo ohatra maro nanehoan’Andriamanitra ny fitiavany mihoatra noho izay rehetra antenaintsika izany. Tsy vaovao mahafaly ho antsika rehetra ve izany?
Mbola manohy manambara ny fitiavany aminao hatrany ve Andriamanitra, ary mihoatra noho izay eritreretinao sy antenainao aza? Amin’ny fomba ahoana?