Miantso sy manasa ny olona rehetra Andriamanitra mba hanana fifamatoram-pitiavana ety dia ety Aminy (jereo ny Mat. 22:1-14). Anisan'ny fanekena izany antso izany ny fankatoavana ny baikon’Andriamanitra izay mandidy ny hitiavana Azy sy hitiavana ny hafa (jereo ny Mat. 22:37-39). Ny fahazoan'ny olona iray ireo tombontsoan'izany fifandraisana amin’Andriamanitra izany dia miankina amin'ny fanapahany hevitra amin-kalalahana ny handray na hanosi-bohon-tanana ny fitiavan'Andriamanitra.
Vakio ny Hôs. 9:15; Jer. 16:5; Rôm. 11:22 ary ny Joda 21. Inona no ampianarin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo antsika momba ny mety handavan'ny olona na hamoizany ireo tombontsoan'ny fitiavan'Andriamanitra?
Averimberina ao amin'ireo toko sy andininy ireo sy any amin'ny hafa koa fa miankina amin'ny valiny asetrin'ny olombelona ny fitiavan'Andriamanitra ny fisitrahany ireo tombontsoan'ny fifamatoram-pitiavana Aminy. Aoka anefa isika tsy hanao fahadisoana ka hihevitra fa tsy tia ny olona intsony Andriamanitra. Araka izay efa hitantsika, dia mandrakizay ny Fitiavany. Ary na dia nilaza izao teny izao tamin'ny olony aza Izy ao amin'ny Hôs. 9:15: "Tsy ho tia azy intsony Aho", dia zava-dehibe ny hahatsiarovantsika fa aty aoriana kely ao amin'io boky io ihany no ilazany amin'izy ireo hoe: "ho tia azy tsy vozonana Aho" Hôs. 14:4. Tsy azo adika ny Hôs. 9:15 fa tapitra hatreo ny fitiavan'Andriamanitra ny vahoakany, azo antoka fa ny fepetran'ny lafin-javatra iray manokana na ny tombontsoan'ny fifamatoram-pitiavana amin'Andriamanitra no tondroin'izany. Ary zava-dehibe ho an'ny fitohizan'io fifandraisana io ny valiny asetrintsika izany Fitiavany izany.
"Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." - Jao. 14:21. Tahaka izany koa no nanambaran'i Jesôsy tamin'ireo mpianany hoe: "ny Ray dia tia anareo satria hianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin'ny Ray Aho." - Jao. 16:27.
Ampianarin'ireo andalan-teny ireo sy ny andalan-teny hafa antsika fa miankina amin'ny fanekentsika handray ny fitiavan'Andriamanitra (ao anatin'izany koa ny fetezana ho mpizara izany fitiavana izany) ny fihazonana ireo tombontsoan'ny fifandraisana mahavonjy Aminy. Averina manam-pahataperana ny indray, tsy midika izany tsy akory fa fitiavan'Andriamanitra. Tsy azontsika atao ny mampiato ny famirapiratan'ny masoandro nefa azontsika atao ny miafina tsy ho azon'ny tarany; tahaka izany koa, tsy misy na inona na inona azontsika atao mba hampiato ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay nefa mety hanosi-bohon-tanana ny fifandraisana Aminy isika ka hampisaraka ny tenantsika amin'izay azon'izany fifandraisana izany atolotra, indrindra ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay.
Inona avy ireo fomba ahafahan'ny olona mahita sy miaina ny maha- zava-misy marina ny fitiavan'Andriamanitra, na hamaly fitia Azy izy ireo na tsia? Ahoana, ohatra, no anehoan'ny voary manontolo ny Fitiavany, na dia taorian'ny fahotana aza?