Tsy hoe tia ny olona fotsiny amin’ny sitrapony tanteraka Andriamanitra, fa manasa azy ireo koa mba hifankatia Aminy. Hita mazava izany amin’ny fanoharana momba ny fanasana fampakaram-bady ataon’i Kristy.
Vakio ny Matio 22:1–14. Inona no dikan’ity fanoharana ity?
Ao amin’ny fanoharan’i Kristy momba ny fanasana fampakaram-bady, dia nanomana mariazy ho an’ny zanany lahy ny mpanjaka ary nandefa ny mpanompony hitady ireo “nasaina ho any amin’ny fampakaram-bady,” saingy “tsy nety ho avy” izy ireo (Mat. 22:2, 3, NKJV). Indroa na in-telo no nandefasan’ilay mpanjaka ny mpanompony, saingy nanda ilay antso ny olona, ary maro aza no nanisy ratsy sy namono ireo mpanompo (Mat. 22:4–6).
Taorian’izany, dia nilaza ilay mpanjaka hoe: “Efa vonona ny fampakaram-bady, fa ireo nasaina dia tsy mendrika. Koa mandehana any amin’ny lalambe, ary na iza na iza hitanareo dia asao ho any amin’ny fampakaram-bady” (Mat. 22:8, 9, NKJV). Avy eo, nisy lehilahy iray tsy nanana akanjo fampakaram-bady noroahina, izay midika fa tsy maintsy mandray akanjo avy amin’ny mpanjaka ny olona iray mba ho mendrika ho any amin’ny fampakaram-bady. Ary nofaranan’i Jesosy ny fanoharana tamin’ny fehezanteny tsy mazava nefa tena misy dikany hoe: “Marobe no antsoina, fa vitsy no fidiana” (Mat. 22:14, NKJV).
Inona no Dikan’izany? Ireo “voafidy” farany dia ireo izay nanaiky ny antson’ny Tompo ho any amin’ny fampakaram-bady. Ny teny nadika hoe “antsoina” sy “asaina” manerana ny fanoharana dia avy amin’ny teny grika kaleo (antsoina, asaina), ary ny zavatra mamaritra izay ho “voafidy” (eklektos) farany dia ny na nanaiky ny fanasana maimaim-poana ilay olona na tsia.
Raha ny marina, Andriamanitra dia miantso (izany hoe, manasa) ny olona rehetra ho any amin’ny fanasana fampakaram-bady. Na izany aza, mety handà ny fitiavan’Andriamanitra isika tsirairay avy. Zava-dehibe ho an’ny fitiavana ny fahafahana misafidy. Tsy hanery na oviana na oviana ny fitiavany amin’iza na iza Andriamanitra. Indrisy anefa, mety holavintsika ny fifandraisana amin’Andriamanitra.
Ny “voafidy” dia ireo izay manaiky ny fanasana. Ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra, dia efa nanomana zavatra mahafinaritra kokoa noho izay azontsika eritreretina Andriamanitra. Ary indray, dia tonga amin’ny fanontaniana momba ny fitiavana sy ny fahafahana misafidy amin’ny fitiavana izany rehetra izany.
Inona no mampiseho amin’ny fiainanao fa efa nanaiky ny fanasana fampakaram-bady ianao ary efa tafiditra ao anaty akanjo mendrika?