Mandrakizay ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy mendrika izany mandrakariva isika. Mety handa tsy handray izany anefa ny olombelona. Omena fahafahana mandray na manda izany fitiavana izany isika, ary iray ihany no anton'izany: tia antsika maimaimpoana amin'ny fitiavana tonga lafatra sy mandrakizay Andriamanitra na dia tsy mbola manao na inona na inona akory aza isika (Jer. 31:3). Ny fitiavantsika an'Andriamanitra dia setrin'izay efa nomena antsika na dia tsy mbola nangataka akory aza isika.
Vakio ny 1 Jao. 4:7-20 ary ifantohy manokana ny and. 7 sy 19. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny laharam-pahamehan'ny fitiavan’Andriamanitra?
Mialoha ny fitiavantsika mandrakariva ny fitiavan'Andriamanitra. Raha tsy tia antsika aloha Izy tsy ho afaka nanisy setriny izany fitiavany izany isika. Rehefa namorona sy nanome antsika ny fahafaha-mitia sy mandray fitiavana Andriamanitra, dia Izy mihitsy no fototra sy loharanon'ny fitiavana rehetra. Afaka misafidy anefa isika, ny handray io fitiavana io sy haneho ny taratr'izany eo amin'ny fiainantsika na tsia. Aseho ao amin'ny fanoharana nataon'i Kristy momba ilay mpanompo tsy nety namela heloka izany fahamarinana izany (jereo ny Mat. 18:23-35).
Hitantsika ao amin'io fanoharana io fa tsy nahita fomba nahafahana nandoa ny trosa tokony hefainy amin'ny tompony ilay mpanompo. Ambaran'ny Mat. 18 fa talenta 10.000 no tokony naloan'ity mpanompo ity amin'ny tompony. Tokony ho denaria 6.000 izany, ny denaria iray anefa dia karama omena ny mpiasa anankiray ho an'ny andro iray iasany (ampitahao amin'ny Mat. 20:2). Araka izany, dia mila 6.000 andro eo ho eo ny mpiasa anankiray mba hahazoany talenta iray. Rehefa avy manisa ireo andro tsy iasana ianao dia andeha atao hoe 300 andro isan-taona eo ho eo no iasan'ny mpiasa iray ka ahazoany 300 denaria ao anatin'ny herintaona. Araka izany, eo amin'ny 20 taona eo no ilain'ny mpiasa tsotra iray mba handoavany talenta iray (denaria 6.000/300=20). Mba hahazoan'ny mpiasa tsotra iray talenta 10.000 dia mandritra ny 200.000 taona no tsy maintsy iasany. Raha fintinina, dia tsy afaka ny hanefa ny trosany mihitsy izany mpiasa izany. Niantra ity mpanompo ity ny tompony ka namoy tanteraka ny trosany be tany aminy.
Rehefa tsy nety namoy ny trosa izay kely lavitra noho ny azy (denaria 100) tany amin'ny mpanompo namany anefa ity mpanompo voavela heloka ity ka nandefa io namany io tany an-tranomaizina mandra-panefany izany, dia tezitra mafy ny tompony ka nanafoana ny famelan-keloka feno famindram-po efa natolony azy. Verin'ilay mpanompo tamin'izany ny fitiavan'ny tompony sy ny famelan-keloka avy aminy. Na dia tsy mety ritra aza ny fiantran'Andriamanitra sy ny famindrampony, dia mety hanosi-bohon-tanana na hamoy ireo tombontsoan'izany fiantrana sy famindrampo izany ihany ny olona.
Saintsaino ny fahotana izay efa nahazoanao famelana sy izay notakina taminao mba hahazoanao ny famelan-keloka avy amin'i Jesôsy . Inona no tokony hambaran'izany aminao momba ny tokony hamelanao ny heloky ny hafa?