Vakio ny IFM, toko 51: "Ny fahazavan'aina", sy ny boky The Certainty of the Second Coming. "The Authority of the Bible and the Certainty of the Second Coming", tt. 23-36.
Mitana anjara toerana lehibe ny Soratra Masina ao amin'ny filazantsara manontolo, amin'ny fanambarana amintsika momba llay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Manana anjara lehibe amin'ny fanambarana ny fahamarinana ny Baiboly, ny TV sy ny TT, ny Soratra Masina. Mitombina tokoa izany, indrindra rehefa miresaka momba ny fampianarana hoe: Iza i Jesôsy? Hanao inona no nahatongavany?
Vakio ny Jao. 5:38-40. Inona no lazain' i Jesôsy eto momba ny Soratra Masina?
Vakio ny Jao. 14:5,6. Inona ny fanontaniana napetrak'i Tômasy momba ny toerana halehan'l Jesôsy? Inona no navalin'i Jesôsy azy?
Toa mitombina ihany ny fanontanian'i Tômasy. Raha tsy fantatrao izay alehan'ny olona iray, ahoana moa no hahafantaranao ny lalana hanarahana izany olona izany? Namaly i Jesôsy fa ny Tenany no làlana. Làlana mankaiza? Mankany amin'ny Ray. Asongadina ao amin'ny fitarihan-teny (Jao. 1:1-18) fa mifamatotra akaiky ny Teny (logos), i Jesôsy Kristy, sy ny Ray.
Vakio ny Jao. 14:1-3. Inona ny tontolon-kevitra nilazan'i Jesôsy ireo teny ireo?
Milaza i Jesôsy any amin'ny faramparan'ny Jao. 13 fa tsy maintsy handeha (Jao. 13:3). Nampametra-panontaniana an'i Petera izany ka hoy izy: "Tompoko, hankaiza moa Hianao?"-Jao. 13:36. Tsy takatry ny mpianatra fa ny fahafatesany, ny fitsanganany amin'ny maty, ary ny fiakarany ho any an-danitra no noresahin'i Jesôsy. Nilaza i Petera fa vonona ny hahafoy ny ainy ho Azy izy (Jao. 13:37), ary teo no nanambaran'i Jesôsy mialoha ny handavan'i Petera Azy (Jao. 13:38).
Ny hafatr'i Jesôsy farany (Jao. 13-17) dia nanome toromarika ny mpianany mikasika ny hoavy. Mitovy firafitra amin'ny hafatra farany nataon'i Mosesy ao 'ny Deoteronomia, na ilay tsodranon'i Jakoba ho an'ireo zanany (Gen. 47- amin 49), na ilay hafatrafatr'i Davida tamin'i Sôlômona (1) Tant. 28-29), ny nanoratana io hafatr'i Jesôsy farany io. Nampionona ny mpianany mahakasika ny tsy maintsy handehanany i Jesôsy. Nanome toky Izy fa haniraka ny Solon-tenany (ny Fanahy Masina; Jao. 14-16). Nambarany mialoha fa hisy ny fahoriana (Jao.
Tsianjery: "Tsy nisy nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran'ny Ray, Izy no nanambara Azy." Jao. 1:18.
"Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran'ny Zanakalahy Tokan'Andriamanitra izy. (...) Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany. Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany." Jao. 3:18, 20, 21; ampitahao amin'ny Jao. 1:10.
Nahoana ny olona no tsaraina? Jao. 3:18,36; Jao. 5:24,38; Jao. 8:24; Jao. 12:47.