"Manisy soa izao tontolo izao Jehovah; Ary ny fiantràny dia eny amin 'ny asany rehetra. Jehovah ô, midera Anao ny asanao rehetra; ary ny olonao masina misaotra Anao." - Sal. 145:9,10.
Mofon'aina: Tiantsika ery ny mandinika ny toetran'Andriamanitra sy ny fitiavany ao amin'ny asan'ny tanany. Porofo lehibe nomeny ny zanak'olombelona ny amin'ny heriny sy ny fitiavany amin'ny maha-Raintsika Azy izany! Noravahany tsara tarehy ny lanitra, ary ny tany kosa nataony miezinezina sy kanto.
Boky iray nosoratan'i Lee Strobel mitondra ny lohateny hoe The Case for Heaven" no mifototra amin'ny hevitra manambara fa mbola velona ao anatin'ny karazam-pahatsiarovan-tena ny maty, ka ny "experiences de mort imminente (EMI)" no nampiasaina ho anisan'ny "porofo". Ohatra iray ity: "Ankizy vavy iray izay niaina ny EMI nandritra ny fandidiana fo natao taminy no nilaza fa nihaona tamin'ny anadahiny tany ankoatra, nahagaga azy izany satria tsy manana anadahy izy.
Miorim-paka ao amin'i Kristy ny fanantenantsika ny famonjena. Manasa antsika hanaiky ny sorona natao an-tsitrapo tokoa tamin'ny sandany tsy manam-petra ireo tanany voapentin-dra. Ho avy tsy hoe ela i Kristy hitaky ireo izay Azy. Ny Tit. 2:13 dia miantso ny fiavian'i Kristy fanindroany ho "fanantenana mahafinaritra".
Ny hamotika izany fanantenana izany no tanjon'i Satana. Hanao fahagagana sy famantarana ary zava-mahatalanjona izy, izay rehetra mety hampanalavitra ny olona amin'ny fahamarinana ara-Baiboly sy ny famonjen'i Kristy.
Vakio ny Jao. 11:11-14, 21-25; 2 Tim. 1:10; 1 Kôr. 15:51-54; sy ny 1 Tes. 4:15-17. Ahoana ny fanoritsoritan'ny mpanoratra ny Testamenta Vaovao ny fahafatesana raha mitaha amin'ny an'ny Testamenta Taloha?
Samy mampiasa ny torimaso ho tandindon'ny fahafatesana ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao. In-53 farafahakeliny no ampitoviana ny teny hoe "torimaso" amin'ny fahafatesana ao amin'ny Baiboly. Ny mpanoratra ny Baiboly dia manaiky fa tsy misy fahatsiarovan-tena ao anatin'ny fanahy tsy mety maty izay mandao ny vatana aorian'ny fahafatesana.
Ny angano izay milaza fa ny fahafatesana dia tsy inona fa fidirana amin'ny dingam-piainana vaovao dia miorina amin'ny foto-kevitry ny tsy fahafatesan'ny fanahy. Vetivety no nidiran'io hevitra jentilisa io tao amin'ny fiangonana izay nihataka tamin'ireo fototra ara-Baiboly mba hiezaka hahatonga ny finoany ho takatry ny tontolo Rômanina mivelatra: "Ny laha-kevitra momba ny tsy fahafatesan'ny fanahy dia anisan'ireo fampianaran-diso izay nindramin'i Roma tamin'ny fanompoan-tsampy ka nampidiriny tamin'ny fivavahana Kristiana."— HM, t. 572.
"Noho ny tsy nahazoany niantehitra tamin'ny fanambaran'ny Soratra Masina, dia maro no nikiribiby nanantitrantitra hoe: Nahoana ny olona ambony ao amintsika no tsy mahalala ny momba io Sabata io? An-kavitsiana no mba mino tahaka anareo. Tsy azo ekena mihitsy izany hoe ny anareo no marina fa diso avokoa ireo olona manampahaizana eo amin'izao tontolo izao,' hadinony anefa fa fomba fisaina toy izany indrindra no efa nenti-namely an'i Kristy sy ny apôstôliny.