Indraindray mety hafindran’Andriamanitra hiala amin’ny toerana mahazatra sy mampilamina antsika isika mba ho vavolombelony. Indraindray ampiasainy hanatanterahany ny fikasany izany fiovana izany, toy ny tamin’ny nampielezany ireo vahoakan’ny tilikambon’i Babela. “‘Dia tao no nampielezan'i Jehovah azy hiala ho eny ambonin’ny tany rehetra’. Ny fomba izay nokendren'ny olona hisakanana ny fikasan’Andriamanitra ihany no nampiasain’ny Tompo hanatanterahana izany fikasany izany. ” — PM, t. 101. I Abrahama indray dia niala tamin’ny taniny ho any an-tany hafa mba ho tonga vavolombelona (Gen. 12).