"Tsara tarehy noho ny zanak'olombelona hianao; fahasoavana no naidina tamin'ny molotrao; izany no nitahian'Andriamanitra anao mandrakizay." — Sal. 45:2.
Mofon’aina:
Raha misy fiezahana sy zotom-po dia azon'ny olona rehetra atao ny ho afaka hamaky teny amin'ny fomba ahazoana azy tsara, ny hiteny amin'ny feo feno, mazava, antonona, amin'ny fomba miavaka sy manaitra. Ny fanaovantsika izany dia mety hahitantsika vokatra betsaka eo amin'ny maha-mpiasa ho an'i Kristy antsika.
Ny Kristianina tsirairay dia antsoina hampahalala amin'ny hafa ny haren'i Kristy tsy hita lany (...). Hampiseho ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba izay hahatonga ny mpihaino azy hankasitraka izany izy. Tsy notendren'Andriamanitra hanao teny kivalavala ireo olombelona ampiasainy ho fantsona. Tsy sitrapony ny hampihenan'ny olombelona na hanambaniany ireo fitahiana mitosaka izay mikoriana avy any an-danitra ho amin'izao tontolo izao amin'ny alalany.
Tokony hijery an'i Jesôsy isika, ilay ohatra tanteraka, tokony hivavaka isika hangataka ny fanampian'ny Fanahy Masina, ary amin'ny heriny dia tokony hiezaka isika hitaiza ny sampana rehetra eo amin'ny tenantsika hanaovana asa tanteraka.
Marina indrindra izany ho an' ireo izay nantsoina ho amin'ny fitoriana ampahibemaso. Ny mpitoriteny rehetra sy ny mpampianatra rehetra dia tokony hitana ao an-tsaina fa manome hafatra ho an'ny vahoaka izy izay iankinan'ny soa mandrakizay ho azy ireo. Ny fahamarinana izay nambara no hitsara azy amin'ny andro lehiben'ny fanadihadiana farany. Ary amin'ny olona sasany dia ny fomban'ilay mpitory no mahatonga ny handraisany na handavany ny hafatra entiny. Noho izany, aoka ny teny holazaina amin'ny fomba mazava hisarika ny saina sy hilatsaka ao am-po. Tokony hiteny miadana, mazava tsara ary amin'ny fomba mampieritreritra, nefa amin'ny hafanam-po rehetra izay takin'ny zava-dehibe lazaina.
Ny fanolokoloana tsara sy ny fampiasana ny herin'ny fitenenana dia tokony ho hita eo amin'ny lafin'ny asa rehetra ataon'ny Kristianina (...). Tokony hanazatra ny tenantsika isika hiteny amin'ny feo mahafinaritra, hampiasa ny fiteny madio sy mahitsy, ary hampiasa teny feno halemem-panahy dia tahaka ny ando sy ny ranonorana malefaka ho an'ny fanahy. Ny Soratra Masina dia milaza ny amin'i Kristy fa fahasoavana no naidina tamin'ny molony «mba hahaizany manao teny hampahatanjaka izay reraka» - Isa. 50:41. — HF, tt. 345,346.