"Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin'ny tany; indry, lasanao ny anao. Ary ny tompony namaly ka nanao taminy hoe: Ry mpanompo ratsy sady malaina, (...) tokony ho nampanàna ny volako tamin'ny mpanàna vola hianao, ka raha tonga aho, dia ho nandray ny ahy mban-janany." - Mat. 25:25-27.
Mofon’aina:
Tsy misy tokony hilaza amin'alahelo fa tsy manana talenta betsaka izy. Rehefa ampiasaina ho voninahitr'Andriamanitra ireo talenta nomeny azy, dia hitombo izany. Tsy fotoana izao hitolokoana ny amin'ny toerantsika eo amin'ny fiainana (...) ka ilazana hoe: Raha mba nanana ny fanomezam-pahasoavany na ny fahaizany aho, dia mety nanolotra renivola betsaka kokoa ho an'ny Tompoko. Raha mampiasa tsara sy amim-pahendrena ny talentany tokana ny olona tahaka izany, dia izay no angatahin'ny Tompo amin' izy ireo.
Jereo ao amin'ny fiangonantsika; vitsy foana ny mpiasa mazoto ao (...). Tsy tsapany fa andraikiny ny fanahy maro. Tsy noana na mangetaheta ny fahamarinana izy ireo. Tsy mba manampy sy manohana izy rehefa mihasarotra ny asa. Ireny sokajin'olona ireny no tsy manana afa-tsy talenta tokana ary nanao izany tao anaty mosara ka nandevina azy tao ambanin'ny tany (...). Eo am-pikatsahana ireo zavatra eto amin' izao fiainana izao, dia veriny ny hoavy sy ny fiainana mandrakizay - ny voninahitra lehibe lavitra sy mandrakizay. Inona no azo lazaina sy azo atao hamohazana io sokajy misy ireo mambran'ny fiangonana ireo, mba hahatsapany fa hampamoahana eo anatrehan'Andriamanitra izy? Moa ve ireo vahoaka mitonona ho Kristianina mpitandrina ny didy tsy tokony handre izao teny mahatahotra izao: "Ary ario ho any amin'ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify"?
Tokony hiasa ho an'Andriamanitra ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra. Tokony hisy mpiasa zato eo amin' izay tsy misy afa-tsy olona iray mahatsapa ho manana andraikitra amin'ny fanahy maro ankehitriny. (...) Aoka ireo izay manana talenta iray hampiasa izany tsara ka hahita azy hitombo avo roa heny. Andriamanitra dia mankasitraka "araka izay ananany (...) fa tsy araka izay tsy ananany." -RH, 14 Marsa 1878.