"Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay sy hekenay." - Eks. 24:7.
Mofon’aina:
Nohamafisina izao ny fanekena araka ny toromarika avy amin' Andriamanitra (jereo ny Eks. 24:4-8).
Teo no nanomezana ny vahoaka ny fepetry ny fanekena. Nanao fanekena masina tamin'Andriamanitra izy ireo, izay tandindon'ny fanekena ifanaovan' Andriamanitra amin'ny mpino an'i Jesôsy Kristy rehetra. Napetraka mazava teo anoloan'ny vahoaka ny fepetra. Tsy navela hanjavozavo amin'ny sain' izy ireo izany. Rehefa nasaina nanapa-kevitra izy ireo, na handà na hanaiky ireo fepetra rehetra nomena, dia niara-nanaiky izy rehetra fa hanatanteraka ny zava-takina rehetra. Efa nanaiky hankatà ny didin'Andriamanitra izy ireo. Nofaritana mazava indray izao ireo foto-kevitry ny lalàna mba hahafantaran'izy ireo izany atao hoe manaiky hankatà ny lalàna izany; dia nanaiky ireo tsipirian'ny lalàna nofaritana manokana izy ireo.
Raha nankatò ny fitakian' Andriamanitra ny Isiraelita dia ho Kristianina nahafatra-po. Ho nahita fahasambarana izy ireo satria ho nanaraka ny lalan'Andriamanitra fa tsy ny fironan'ny fony ara-nofo. Tsy navelan'i Mosesy ho diso fandray ny tenin'ny Tompo izy ireo. Noraketiny an-tsoratra tao amin'ny boky iray ny teny rehetra voalazan'i Jehôvah mba ho azon'izy ireo jerena any aoriana. Teo an-tendrombohitra no nanoratany izany, araka ny nanononan'i Kristy azy mihitsy.
Tamin-kerim-po no nanomezan'ny Isiraelita toky fa hankatà ny Tompo izy ireo, rehefa avy novakina teo anatrehan'ny vahoaka ny fanekena. Hoy izy ireo: "Izay rehetra nolazain Jehovah dia hataonay sy hekenay" — Eks. 24:7. Avy eo dia natokana sy nasiana tombokase ho an'i Jehôvah ny vahoaka. Nisy fanatitra natao ho an'ny Tompo. Natopy teo amin'ny alitara ny ampahany tamin'ny ran'ny fanatitra. Midika izany fa nanokana ny tenany — vatana, saina, fanahy —ho an'Andriamanitra ny vahoaka. Nisy ampahany koa natopy tamin'ny olona. Midika izany fa tamin'ny alalan'ny ra nalatsak'i Kristy no nandraisan'Andriamanitra azy ireo tamim-pitiavana ho rakitra soa ho Azy. Toy izany no nanaovan'ny Isiraelita fanekena masina tamin'Andriamanitra. MR, b. I, tt. 114,115.