Vakio ny Joe. 2:21-24 sy ny Asa. 2:1-4, 41-47. Inona ny faminaniana tanteraka tamin'ny taonjato voalohany? Inona ny fiantraikan’izany?
Ny firotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny Pentekôsta no nanome hery lehibe ny fiangonana kristianina. Telo arivo no niova fo tao anatin'ny iray andro. Voarakitra ao amin'ny Asan'ny Apôstôly ny fahagagana nifanesy nataon'ny fahasoavan'Andriamanitra izay manova: "maro tamin'izay nandre ny teny no nino, ka dia tonga tokony ho dimy arivo no isan'ny lehilahy."- Asa. 4:4. Mpino 120 monja no niangona mba hivavaka, kanefa fiovana mahagaga no nateraky ny vavaka. Haingana dia haingana no niampian'ireo mpino an'arivony. Na ireo mpisorona aza dia marobe (...) nanaiky ny finoana"- Asa. 6:7. Rehefa nivaivay ny fanenjehana ireo mpianatra tany Jerosalema, dia niely izy ireo ka "nandeha nitory teny tontolo eny'- Asa. 8:4. Natsangana nanerana an'i Jodia sy Samaria ary Galilia ny fiangonana marobe (jereo ny Asa. 9:31). Taorian'ny fiovam-pony, dia nitory an'i Kristy nanerana ny faritr'i Mediteranea i Paoly apôstôly. Nanao izao fanambarana mahagaga izao ireo Jiosy izay nanohitra ny Filazantsara tao Tesalônika: "Tonga aty koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo"- Asa. 17:6. Tamin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina no nanatraran'ny mpianatra an'izao tontolo izao tamin'izany andro izany, tao anatin'ny fotoana fohy monja. Tanteraka tamin'ny Pentekosta ny faminanian'i Joela mikasika ny loha-orana, fa ny fara-orana kosa dia hilatsaka amin-kery lehibe mba hanomanana ny fijinjana farany eto an-tany.
Vakio ny Zak. 4:6; Zak. 10:1; Hôs. 6:3 ary ny Jak. 5:7,8. Araka izay ambaran'ireo toko sy andininy ireo, ahoana ny fomba hamitana ny asan'Andriamanitra?
Nalaina tamin'ny tsingerim-pambolen'ny Isiraely ny teny hoe "Ioha-orana" sy "fara-orana." Nilatsaka tamin'ny lohataona ny loha-orana izay nampitsimoka ny voa. Ary ny fara-orana kosa nilatsaka tamin'ny lohataona mba haha-masaka ny vokatra. Manoritsoritra ny asan’ny Fanahy Masina eo amin'ny fitoriana ny filazantsara izany. "Tahaka ny nanomezana ny `ranonorana aloha', tamin'ny nirotsahan'ny Fanahy Masina tamin'ny nisokafan'ny fitoriana ny filazantsara, mba hampitsimoka ny voa sarobidy, dia toy izany koa no hanomezana ny `ranonorana aoriana' amin'ny famaranana ny fitoriana ny filazantsara mba hanamasaka ny voa hojinjaina. (...) Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin'ny fanehoana ny herin'Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin'ny fiantombohany. lreo faminaniana izay tanteraka tamin'ny nirotsahan'ny ranonorana voalohany tamin'ny fiandohan'ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin'ny fiafaran'izany amin'ny ranonorana farany."- HM, t. 637.