Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpiaro sy mpanafaka

Daty
Alarobia 24 January 2024

Vakio ny 1 Kôr. 10:1-4. Ahoana no fanazavan'i Paoly ny tantaran'ny fanafahana ny Isiraely? Inona ny lesona ara-panahy tiany ampitaina amintsika amin'izany?

Vakio ny Sal. 114. Ahoana no anoritsoritana amin'ny fomba kanto eto ny nanavotan'Andriamanitra ny vahoaka Isiraely tany Egipta?
Fanehoana kanto ny nanafahan'Andriamanitra ny zanany tamin'ny fanandevozan'ny Egiptianina no hita ao amin'ny Sal. 114.

Manerana ny TT, eny, na ny TV koa aza, ny fanafahana ny Isiraely tamin'ny tany Egipta dia entina anehoana ny herin'Andriamanitra mamonjy ny vahoakany. Izany indrindra no ataon'i Paoly ao amin'ny 1 Kôr. 10:1-4; sary an'ohatra tandindon'ny famonjena ao amin'i Jesôsy Kristy no ahitany ilay tantara manontolo, izay zava-nitranga marina.

Aseho ao amin'ny Sal. 114 koa ny fanafahan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fifehezany ny herin'ny zavaboary amin'ny maha-Mpahary Azy, izay fomba namonjeny ny vahoakany ao amin'ny Eksôdôsy. Maneho ny herin'ny zavaboary sy ny olombelona izay manakantsakana ny lalan'ny Isiraely tsy ho tonga any amin'ny tany Kanana ny ranomasina, ny ony Jordana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana (Deo. 1:44; Jos. 3:14-17). Andriamanitra anefa no manapaka azy rehetra ireo.

Raha ny marina dia voatemitra loza ny lalana mankany amin'ilay Jerosalema any an-danitra ho an'ny ankamaroan'ny zanak'Andriamanitra, amin'ny fotoana rehetra sy ny toerana rehetra. Mampahery azy ireo ny Salamo hijery ankoatra ny tendrombohitra sy ny havoana mba hahita ny Mpahary ny lanitra sy ny tany (Sal. 121:1).

Tao amin'i Jesôsy koa io toe-tsain'ny Sal. 114 io rehefa nampitsahatra ny tafio-drivotra Izy, ary koa rehefa nambarany fa tsy misy tokony hatahoran'ny fiangonana satria efa naharesy izao tontolo izao Izy (Mat. 8:23-27; Jao. 16:33).

Ireo zava-mahatalanjona nataon'ny Tompo ho an'ny vahoakany dia tokony hahatonga ny tany manontolo hangovitra eo anatrehany (Sal. 114:7). Fanekena ny fahefany sy fiankohofana Aminy no tokony handraisana io horohoro na fangovitana io fa tsy fahatahorana mafy tsy akory (Sal. 96:9; Sal. 99:1). Tsy misy tokony hatahoran'ny mpino raha Andriamanitra no eo anilany.

Inona avy ireo loza ara-panahy atrehintsika amin'ny maha-mpino antsika, ary ahoana no hianarantsika miantehitra amin'ny herin'ny Tompo mba hiaro antsika tsy ho resy ao anatin'ireny loza ireny, izay zava-misy eo amin'ny fiainantsika tahaka ny teo amin'ny fiainan'ny mpanao Salamo koa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal