Hodinihina mandritra ny herinandro: Lio. 15:11-32; Zef. 3:17; Efes. 5:25-28; Isa. 43:4; Rom. 8:1; Rom. 5:8; Mar. 9:17-29.
Tsianjery:
"Jehôvah Andriamanitrao no ao aminao, mahery Izy ka hamonjy; hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; ho sondriana amin'ny fitiavany Izy: hifaly anao amin'ny fihobiana Izy." - Zef. 3:17.
Hevero ity tantara ity: Manatona ny rainy ny tovolahy kely iray 5 taona, miaraka amin'ny fanomezana kely tsy dia tsara fono, fa fetin'ny ray tamin'izay. Faly erý izy nanolotra ilay fanomezana an-drainy.
Alao sary an-tsaina ny rainy milaza hoe: "Ry zanako, tsy ahoako ny fanomezanao. Tsy misy na inona na inona azonao omena ahy rahateo, ka mety ho sitrako. Na inona na inona omenao ahy, izaho ihany dia mahavidy izany ho an'ny tenako. Na inona na inona omenao ahy dia ny volako ihany, na ny fitaovana izay novidiko ihany no nahazoanao azy. Koa hazony ihany ny fanomezanao. Tsy ilaiko na tiako izany. Kanefa tiako foana ianao."
Ooh!
Ahoana ny hevitrao ny amin'ny fihetsik'io raim-pianakaviana io? "Mafy fo", "feno fangatsiahana", "feno tsy firaihana", teny toy izany no tonga ao an-tsaina. Tahaka izany ve ny fihetsik'Andriamanitra amintsika? Haintsika tokoa ve ny hankasitrahan'Andriamanitra? Na sarotra aza ny mahazo an-tsaina izany, na olombelona lavo, simban'ny fahotana ary mora mirona ho amin'ny ratsy aza isika, dia afaka mahafaly an'Andriamanitra! Izany hoe tsy toy ny an'io raim- pianakaviana io ny fijerin Andriamanitra antsika sy ny fanomezana entintsika ho Azy. Ny mifanohitra amin'izany aza, ankasitrahan'Andriamanitra isika, saingy amin'ny alalan'i Kristy irery ihany.
*Famerenana ny lesona ny sabata 18 Janoary.