Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar.4:35-41;Sal.104:1-9; Mar. 5:1-43: Nom. 27:17.
Tsianjery: « Nefa tsy navelan’i Jesôsy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. » – Mar. 5:19.
Tao Galilia no tena nanaovan’i Jesôsy ny asany, indrindra teo amin’ny Ranomasin’i Galilia sy ny manodidina azy. Ilay antsoina hoe ranomasin’i Galilia dia farihy iray lehibe mirefy 21 km ny lavany ary 13 km ny sakany. lo no rano midadasika teo amin’izany faritra izany ary ivon’ny antom-piveloman’ny olona manodidina.
I Jesôsy sy ny mpianany niampita ny Ranomasin’i Galilia no mamarana ny Mar. 4. Nisy tafio-drivotra mahery tamin’izay, ary i Jesôsy no nampitsahatra izany tamin’ny nitenenany tamin’ny rivotra sy ny onja. Mifarana amin’ny toe-javatra mitovy amin'izany koa ny Mar. 6, saingy tamin’ity indray mandeha ity dia nandeha teo ambonin’ny rano i Jesôsy, nanatona ny mpianany tao an-tsambokely. Teo anelanelan’ireo tranga roa ireodia marobe ny fahagagana nataon’i Jesôsy teny an-tanety, ary teo no nanombohan'ny mpianatra ny asa misiônerany. Ireo tantara ireo no lohahevitra hodinihintsika amin’ity herinandro ity.
Ny tena mampiavaka ireo tantara ireo dia izy mamela ny mpamaky hahita hoe iza moa i Jesôsy. Izy Ilay mahay mampitsahatra ny tafiotra, manasitrana ny demoniaka, manasitrana vehivavy izay nikasika fotsiny ny akanjony, manangana zazavavy amin’ny maty, mitory ao amin ny tany niaviany, maniraka ny mpianany hitory ny filazantsara, mamahana olona 5000 amin’ny mofo sy hazandrano vitsy monja, ary Ilay mandeha ambonin’ny rano. Fanehoana mahagaga ny heriny ireo, izay nahatonga ny mpianany hahatakatra mazava kokoa fa Izy no Zanak’Andriamanitra.