"Nefa izao no lazain'i Jehôvah : Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao." - Isa. 49:25.
"Mandehana, ry oloko, midira ao amin'ny efi-tranonao, ary mirindrina varavarana hianao, ka miere kely indray mipi-maso monja mandra-pahalasan'ny fahatezerana." - Isa. 26:20.
Mofon’aina: Ireo izay mandray ny tombokasen'Andriamanitra velona ihany no hahazo ny pasipaoro hahafahana miditra eo amin'ny vavahadin'ny Tanana masina (...)
Hapetraka eo amin'ny handrin'ireo izay manam-pitoviana amin' i Kristy eo amin'ny toetra ny tombokasen'Andriamanitra velona.
Tahaka ny fandraisan'ny savoka ny tombokase no tokony handraisan'ny fanahy ny fiasan'ny Fanahin' Andriamanitra sy hihazonany ny endrik' i Kristy.
"Ary ho an 'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana." - Joda 24.
Mofon’aina: Nankato ireo fitakian'ny lalana rehetra i Kristy (…)
"Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady manana izao tombo-kase izao: Ny Tompo mahalala ny azy', ary koa: aoka ny olona rehetra izay manonona ny anaran'ny Tompo hiala amin'ny ratsy. - 2 Tim. 2:19.
Mofon’aina: Mialoha ny hifaranan'ny asa sy ny fanombohan-kase ny olon'Andriamanitra, dia hirotsaka amintsika ny Fanahy Masin' Andriamanitra. Ho eo anivontsika ireo anjelin'ny lanitra.
"Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, aty Kristy, na: Indro, ary; aza mino hianareo." - Mat. 24:23.
Mofon’aina:
Mialoha ny fianahan'ny asan'ny fihemorana farany dia hisy fifanjevoana eo amin'ny finoana (...) mikasika ny zava-miafin'Andriamanitra. Haolana tsirairay ny fahamarinana.
"Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana hianareo, koa manomeza maimaimpoana." — Mat. 10:7,8.
Mofon’aina: Manoloana antsika ny fotoan'ny loza amin'atambo. (...) Karazana aretina maro no hihatra amin'ny taranak'olombelona, ary ny tsy fahalalana toy izao hita izao mikasika ny la1an'ny fahasalamana dia hahatonga fahoriana lehibe sy famoizana ain'olona maro izay tokony ho voavonjy (...)