"Ary ho an 'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana." - Joda 24.
Mofon’aina:
Nankato ireo fitakian'ny lalana rehetra i Kristy (…)
Noho ny amin'izany fankatoavany lavorary izany dia nataony ho azon'ny olombelona tsirairay efaina ny mankato ny didin'Andriamanitra. Rehefa milefitra eo amin'i Kristy isika, ny fontsika dia miray amin'ny fony, voasaron'ny sitrapony ny sitrapontsika, manjary iray amin'ny sainy ny saintsika, voababony ny eritreritsika; mivelona amin'ny fiainany isika. Izany no atao hoe mitafy ny akanjom-pahamarinany. Amin' izay rehefa mijery antsika ny Tompo, dia tsy (...) ny fanimban'ny fahotana no hitany, fa ny akanjom-pahamarinan'ny tenany, dia flay fankatoavana tanteraka ny lala.n'i Jehovah.
Nanome fomba handresena ny fahotana rehetra sy hanoherana ny fakam-panahy rehetra (...) ny drafi-panavotan'Andriamanitra.
Tsy manala tsiny ny fahotana ny fakam-panahy mahery indrindra. Na inona na inona tsindry mitambesatra amin'ny fanahy, dia asa miankina amin'ny safidintsika manokana ny handika lalana. Na ny tany na ny helo dia tsy manana fahefana hanery antsika hanota. Tsy maintsy ho nanaiky hanao izany isika, ary nilefitra teo amin'ny fahotana ny fo, raha tsy izany dia tsy handresy ny fahaiza-mandanjalanja ny firehetam-po, ary tsy handresy ny fahamarinana ny fahotana.
Raha mialoka eo ambany faneva voatentin'ny ran'Ilay Andriana Imanoela isika, ka manao ny asany amim-pahatokiana, dia tsy hitolo-batana amin'ny fakam-panahy na oviana na oviana satria mijoro eo anilantsika Day mahazona antsika tsy ho lavo.
Tsy ilaintsika ny hitany ireo fironana feno fahotana ao anatintsika na dia iray aza.
Rehefa miray amin'ny fomban' Andriamanitra isika, dia voaisotra tsy ho ao amin'ny toetrantsika ny fironana nolovana tamin'ny razana sy ireo nambolentsika, ary tonga hery velona hiasa ho amin'ny tsara isika. Miara-miasa amin'Andriamanitra isika handresy ny fakam-panahin'i Satana amin'ny fianarana mandrakariva eo amin'Ilay Mpampianatra avy any an-danitra sy amin'ny firaisana amin'ny Fombany. Miasa Andriamanitra ary miasa koa ny olona, mba hahatonga ny olona ho iray amin'i Kristy tahaka an'i Kristy iray amin'Andriamanitra. Rehefa izany dia hiara-mipetraka amin'i Kristy any an-danitra isika. (...) — Ma, t. 225