"Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny izy." - Apôk. 14:5.
Mofon’aina:
Ireo izay mandray ny tombokasen'Andriamanitra velona ihany no hahazo ny pasipaoro hahafahana miditra eo amin'ny vavahadin'ny Tanana masina (...)
Hapetraka eo amin'ny handrin'ireo izay manam-pitoviana amin' i Kristy eo amin'ny toetra ny tombokasen'Andriamanitra velona.
Tahaka ny fandraisan'ny savoka ny tombokase no tokony handraisan'ny fanahy ny fiasan'ny Fanahin' Andriamanitra sy hihazonany ny endrik' i Kristy.
Maro no tsy handray ny tombokasen' Andriamanitra satria tsy mitandrina ny didiny ary tsy mitondra ny voan'ny fahamarinana.
Hahita fahadisoam-panantenana mangidy tokoa ny ankamaroan'ireo izay mitonona ho Kristianina rehefa tonga ny andron'i Jehôvah. Tsy hanana ny tombokasen'Andriamanitra velona eo amin'ny handriny izy ireo. Matimaty izy no sady tsy miraika ka manala baraka an'Andriamanitra mihoatra noho izay mitonona ho tsy mpino. Mitsapatsapa anaty haizina izy ireo kanefa azony atao ny mandeha amin'ny fahazavan'ny mitataovovonana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra, eo ambany fitarihan'Ilay tsy mety manao fahadisoana (...)
Ireo izay mandray ny fahalalana sy ny fanambarana avy amin'ny Baiboly, Tenin'Andriamanitra, no hoentin Zanak'ondry eo amin'ny loharanon’ny rano velona, ary hofafany ny ranomaso rehetra eo amin'ny mason' izy ireo (…)
Aoka isika tsy haka tahaka olombelona na iza na iza. Tsy m olombelona manana ny fahendrt tokony hataontsika fenitra. I Kristy Jesôsy no tokony hobanjinintsika, no mahatratra ny fahatanterahana amin'ny fahamarinana sy fahamasinal Izy no Tompon'ny finoantsika Mpanefa izany. Izy no modely. Ny fanandramana niainany no tokony handrefesantsika ny fanandramana tokony ho antsika. Ny toetrany no toko hotahafintsika. Andeha ary hesorintsika tsy hifantoka amin'ny fahasahirana sy fahasarotana eo amin'izao fiaina izao ny saintsika, andeha hoentina Aminy izany, mba hanahaka Azy isika rehefa mibanjina Azy. Azontsika atao ny mibanjina an'i Kristy; mahasoa antsika izany. Azontsika atao ny Aminy amin-toky fa mahalala ny zava-drehetra Izy. Rehefa mijery sy misaintsaina ny momba Azy isika dia ho ary ao anatintsika Izy, Ilay fanantenan'ny voninahitra.
Andeha isika hiezaka hampiasa hery rehetra nomen'Andriamanitra antsika mba ho isan'ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy. Ma, t. 241