"Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14,15.
Mofon’Aina :
Mampitodika anao ho eo amin'ny hazo fijalian' i Kalvary aho. Asaiko ianao handinika ny sorona tsy manam-petra natao teo (...) mba tsy hahavery anao fa hanananao ny fiainana mandrakizay noho ny finoana an'i Jesôsy Kristy. (...) Asaiko ianao mba hitodika amin'i Jesôsy. Voaro ianao rehefa apetrakao Aminy ny fisainanao lalina indrindra. Efa novidin'i Jesôsy Tompo tamin'ny sanda tsy manam-petra ianao. Azonao atolotra an'i Jesôsy ny fanahinao. Azonao atao ny mitoky Aminy ka manao Azy ho Mpanoro lalana anao. (...) Manatona mandrakariva an'Andriamanitra fa hanampy anao Izy.
Aoka ho azonao antoka fa mandray fahazavana avy amin'Ilay Loharanon'ny fahazavana rehetra ianao. (...) Hanazava ny olona rehetra izay eto amin'izao tontolo izao Izy. Aoka tsy hametraka fenitra ambany sy mora vidy isika. Kolokoloy ny fahamoram-pon'i Kristy. Tratraro ny haavo ambony indrindra ary mianara amin'i Jesôsy Kristy. Sakaizanao Izy. Azonao atao mandrakariva ny miankina Aminy, Izy ilay mahatoky sy marina. Rehefa mila ny fangorahany ianao raha ao anatin'ny fotoana mahavery hevitra indrindra, ary koa rehefa maratra sy torotoro, dia tsy handalo fotsiny anao Izy. Azonao atao ny mankeo Aminy amin'ny fahatsoran'ny zaza. Azonao atao ny manatona Azy amin'ny fifaliana sy ny firavoravoana. Amin'ny zavatra rehetra manandratra ny fanantenanao, amin'ny fahombiazana rehetra aorian'ny asa nataonao ho an'ny Tompo, dia mijere an'i Jesôsy ary apetraho eo an-tongony ny haja rehetra amin'izany. (...) Soraty eo amin'ny fanevanao ny anaran'i Kristy ary aza manala baraka ny fanevanao.
Nomena antsika ao amin'i Kristy Jesôsy ny lanitra manontolo. (...) Omeo voninahitra i Jesôsy amin'ny fanomezana Azy ny tsara indrindra ao am-po sy ny fanompoana masina indrindra! Efa nanolotra ny ainy ho anao Izy. (...)
Asandrato ny fanevanao; akaro avo izany. Aza avela hilatsaka amin'ny vovoky ny tany na oviana na oviana izany. Asandrato i Jesôsy. Asandrato avo ilay Lehilahin'i Kalvary, asandrato avo hatrany Izy. - TMK, t. 341.