"Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany." - Ohab. 22:6.
Mofon’aina:
Tsy maintsy ampianarina ny ankizy fa manana anjara atao ao an-tokantrano izy. Omena sakafo izy ireo, ampiakanjoina, tiavina, karakaraina; koa tokony hanao izay hahasambatra ny ankohonana misy azy izy, araka izay azony atao, ho setrin'izany fiahiana azy izany. Toy izany no hahatonga azy ireo ho zanak'Andriamanitra sy misiônera ao an-tokantrano.
Ny fanaovan'ny ray aman-dreny tsirambina ny fanabeazana ny zanany dia tsy fanomezana azy ireo izay ilainy amin'ny famolavolana toetra tsara amin'ny lafiny rehetra. Raha avela manao izay tiany ny ankizy dia hihevitra fa tsy maintsy leferina izay rehetra ataony, tsy maintsy karakaraina izy, tsy maintsy atao ny sitrapony sy izay mahafaly azy. Hoentin'izy ireo eo amin'ny fiainany ara-panahy manontolo ny voka-dratsin'ny fomba nanabeazana azy toy izany tao an-tokantrano.
Tian’Andriamanitra ho tandindon' ny ankohonan'ny lanitra ny ankohonantsika. Aoka hotsaroan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka isan'andro izany, ka hifampitondra toy ny mambran'ny ankohonan' Andriamanitra izy ireo. Ho tonga lesona ho an'izao tontolo izao izy ireo amin'izany, hampiseho ny atao hoe ankohonana tia an'Andriamanitra sy mitandrina ny didiny. Homem-boninahitra i Kristy; hameno ny tokantrano toy ny hanitra sarobidy ny fiadanany sy ny fahasoavany ary ny fitiavany. Ho fanatitra tsara ho an'Andriamanitra ny fiainan'ireo zanaka Kristianina misiônera. Hahafaly ny fon'i Jesôsy izany, ary raisiny ho toy ny sarobidy indrindra amin'ny fanatitra.
Aoka hiankohofana ao amin'ny ankohonana tsirairay i Jesôsy Kristy Tompo. Raha manabe ny zanany araka ny tokony ho izy ny ray aman-dreny dia ho sambatra hahita ny vokatry ny fitaizana tsara nataony, tamin'ny namolavolany ny toetran-janany ho tahaka ny an' i Kristy. Manao fanompoana lehibe ho an'Andriamanitra tokoa izy ireo amin'ny fanehoany tokantrano milamina sy voafehy tsara eo imason'izao tontolo izao, tokantrano matahotra an'Andriamanitra, kanefa tsy izany ihany fa tokantrano manome voninahitra ny Tompo amin'ny ohatra tsara asehony amin'ny fianakaviana hafa; ary dia handray ny valisoany izy ireo. — RH, 17 Nôvambra 1896.