"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin 'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin 'Andriamanitra." — Efes. 2:8.
Mofon’aina:
Irin'Andriamanitra ny hahatraran-tsika ny fahatanterahana izay mety . ho tratrantsika amin'ny alalan'i Kristy. Antsoina isika hisafidy ny tsara, hifandray amin'ireo anjelin'ny lanitra, hanaiky ireo filamatra izay hamerina ao amintsika ny endrik'Andriamanitra. Asehony amintsika, na amin'ny alalan'ny Soratra Masina, na amin'ny alalan'ny boky lehiben'ny zava-boary, ireo foto-kevitry ny fiainana. Anjarantsika kosa ny mamantatra ireny foto-kevitra ireny sy ny hiara-miasa aminy eo amin'ny famerenana ny fahasalamana ho an'ny tena sy ny fanahy amin'ny alalan'ny fankatoavana izany.
Ilain'ny olona ny mianatra hahalala fa tsy tonga ho azy amin' izao amin'ny fahafenoany ireo fitahian'ny fankatoavana raha tsy mandray ny fahasoavan'i Kristy izy. (...)
Rehefa raisina eo amin'ny fahadiovany sy ny heriny rehetra ny filazantsara, dia zary fanasitranana ireo aretina vokatry ny fahotana izany. Miposaka ny «Masoandron 'ny Fahamarinana, manana fanasitranana eo amin'ny elany» Mal. 3:20. Tsy izay rehetra azon'izao tontolo izao omena no mahasitrana ny fo torotoro, na manolotra fiadanana ho an'ny saina, na manala ny ahiahy, na manafoana ny fijaliana. Ny laza, ny fahaizana mamirapiratra, ny talenta, dia samy tsy manan-kery hamalifaly ny fo malahelo na hamerina ny fiainana lany notobatobaina foana. Ny fivelomana amin'ny fiainan'Andriamanitra ao amin'ny fanahy no hany fanantenana ho an'ny olona.
Ny fitiavana izay aparitak'i Kristy eran'ny tena manontolo dia hery mitondra aina. Ny faritra rehetra fototry ny aina toy ny atidoha sy ny fo ary ny retsi-pandre dia mandray fahasalamana avy amin'izany. (...) Mampitsiry fifaliana ao amin'ny fanahy izay tsy azon-javatra na inona na inona eto an-tany ravana izany — fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina, fifaliana mitondra fahasalamana, fifaliana mitondra aina.
Na dia mihamafy mandritra ny taon-jato nifandimby aza ny fangiazan'ny fahotana ny taranak'olombelona, na dia nasaron'i Satana ny Tenin'Andriamanitra aza ny raho-maintin'ny dika vilana ataony amin'ny alalan'ny lainga sy ny fitaka, ka nahatonganyolonahisalasalanyamin'ny hatsaram-panahin'Andriamanitra, dia tsy mitsaha-mitosaka ety an-tany toy ny ranonorana mivatravatra ny famindrampo sy ny fitiavan'ny Ray. Raha mba sokafan'ny olombelona hitodika ny lanitra ny varavarankelin'ny fanahiny, amin'ny fankasitrahany ireo fanomezan' Andriamanitra, dia hisy hery manasitrana hanafotra azy. — TMF, tt. 65,66.