Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 134; Isa. 42:10-12; Apok. 14: Sal. 15; Sal, 101:1-3; Sal. 96; ApOk. 14:6-12; Jao. 4:23,24.
Tsianjery: “Hihira ho an’i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza ‘an’Andriamanitro aho, raha mbola miaina." - Sal. 104:33.
Rehefa mihamitombo ny fahatsapantsika ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny heriny dia manjary velom-panontaniana tahaka ilay mpanao salamo isika hoe: “Inona no havaliko an‘i Jehévah noho ny soa rehetra nataony tamiko?” — Sal. 116:12. Ny tsy maintsy ho valin'izany dia ny fanolorana tanteraka ny fiainana ho an’Andriamanitra sy ny mahatoky Aminy.
Tey firenena fotsiny ny Isiraely ao amin’ny Salamo fa “fiangonan-dehibe” (Sal. 22:22,25; Sal. 36:18). Maneho izany fa ny niantsoana voalohany indrindra ny Isiraely dia ny hidera an'Andriamanitra sy ny hanambara Azy eo anatrehan'ny firenena hafa; tian’Andriamanitra hiara-mankalaza Azy amin'ny vahoaka Isirely mantsy ireo firenena ireo. Olo-marina, mivavaka amin'i Jehdvah, ary manana fanantenana ao Aminy sy ny fitiavany no ahafantarana ny vahoakan'ny Tompo.
Raisin’ny olona ho fanompoam-pivavahana tsara indrindra ny midera an’Andriamanitra eo anivon'ny fiangonana. Tsy midika izany tsy akory fa latsa-danja ny vavaka sy ny fiderana ataon'ny isam-batan’olona ao amin'ny Isiraely. Mampandroso sy manome aina vao ny fiderana ataon'ny fiangonana ny fivavahan'ny isam-batan’olona (Sal. 22:22,25), ary ny fifandraisan’ny isam- batan’olona ety amin’ny fiangonana kosa no mamelona amin'ny fomba tsara indrindra ny fivavahan’ny isam-batan‘olona. Antsoina hoe “fivorian’ny marina” koa ny vondron'ny mpivavaka (Sal. 11:1). Mahalala an’Andriamanitra ny marina, ary mahalala azy Andriamanitra (Sal. 36:10; Sal. 37:18), ary mahakasika ny lafim-piainany rehetra izany fanandramana izany.