Ny fifandraisan'Andriamanitra tamin'ny Isiraely dia maneho amin'ny endriny maro ny fifandraisany amin'ny fiangonana ao amin'ny TV. Raha ny marina, ny firenena Isiraely dia nanondro mialoha ny fahadisoan'ny fiangonana tamin'ny lafiny maro. Tsy afaka milaza tena velively ho ambony noho ny Isiraely fahiny ny Kristianina, fa mora voafitaky ny fakam-panahy toa azy ihany izy, hatramin'izao.
Vakio ny Mat. 20:25-28. Nampitandrina ny mpianany tsy hanao tahadisoana I Jesosy teo am-panafatrafarana momba ny asan'ny fiangonana kristianina; inona izany fahadisoana izany?
Raha ny drafitr Andriamanitra tany am-piandohana dia tsy natao hanana mpanjaka olombelona na ny ny Isiraely, tsy natao ho tahaka ireo firenena hafa izay nanana ny mpanjakany izy. Nihena an-dalana anefa ny finoan'ny Isiraelita ka nanjary naniry ho tahaka ny firenena hafa rehetra izy ireo, mba hanana izay ananany koa.
Vakio ny 1 Sam. 8:4-18. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nanjary naniry hanana mpanjaka? Alaim-panahy toy izany koa isika; amin'ny fomba ahoana?
Hitantsika ao amin'ny toko fahafolo ao amin'ny Genesisy ny nipoiran'ireo firenena samihafa. Ny teny adika hoe "firenena" dia goyim, izay mety hidika koa hoe Jentilisa. Voalaza ao fa nizarazara ny taranak'olombelona, sarny nanana ny taniny, ny fiteniny, ny mpianakaviny, ary ny fireneny avy (Gen. 10:5; jereo koa ny Apôk. 14:6).
Saika avy hatrany taorian'izany no niantsoan'Andriamanitra an'i Abrahama hiala tamin'ny iray amin'ireo firenena ireo, mba hiavahany amin'izy ireo sy tsy hanehoany izay asehony.
Nohariana ho fonenana tsara indrindra ho an'ny taranak'olombelona ny saha Edena. Rehefa tafiditra ny fahotana dia voatery nesorin'Andriamanitra tamin'ny olombelona ilay saha sy ny hazon'aina, hatreto aloha.
Vakio ny Apôk. 19:1-9. Toe-javatra roa no ankalazaina miaraka eto: ny fiafaran'ilay vehivavy janga sy i Kristy mampakatra ny vadiny. Ahoana no mahatonga ireo toe-javatra roa ireo sady maneho ny fahamarinan'Andriamanitra no maneho koa ny toetrany be fitiavana?
Rehefa antitra i Abrahama, ary azo antoka fa nieritreritra momba ireo teny fikasana nataon'Andriamanitra taminy momba ny taranany (jereo ny Gen. 15:5), dia nampanaoviny asa iray lehibe ny mpanompony zokiolona sy nitokiany indrindra.
Vakio ny Gen. 24:1-4. Nahoana no zava-dehibe loatra tamin'i Abrahama ny tsy hakan'ny zanany lahy vady amin'ny "zanakavavin'ny Kananita" - Gen. 24:3?
"Mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin 'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra (..) fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy." - Efes. 4:14,15.