"Fa izaho milaza ny marina aminareo: mahatsara anareo ny fialako; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aty aminareo ny Mpananatra,- fa raha handeha Aho, dia hirahiko ho ad, aminareo lzy." Jao. 16:7.
Mofon’aina: Ny Mpananatra izay nampanan-tenain'i Kristy fa hirahiny aorian'ny hiakarany any an-danitra, dia ny Fanahin'Andriamanitra Telo Izay fray ao anatin'ny fahafenoany, izay hampiharihary ny herin'ny fahasoavan'Andriamanitra amin'ireo rehetra mandray sy mino an'i Kristy amin'ny maha-Mpamonjy ny tenany manokana Azy.
"Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray." — Rom. 5:18.
"Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika." Isa. 53:5.
"(...) Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalako sady hosoratako ao am-pony; (..) fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany." — Jer. 31:33,34.
Fepetra ao anatin'ny fanekena "Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. " — Eks. 19:5.
Mofon’aina: Tamin'ny voalohany dia nomen' Andriamanitra ny taranak' olombelona ny lalany ho fomba hahazoan'izy ireo fahasambarana sy fiainana mandrakizay.