"Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray." — Rom. 5:18.
Mofon’aina:
Tsy misy vola mahavidy, na saina mahatakatra, na fahefana mahabaiko izany, nefa omena maimaimpoana ho an' izay rehetra manaiky handray azy ny fahasoavan'Andriamanitra be voninahitra. Mety hahatsapa ny filany anefa ny olona, ary hiala amin'ny fitokian-tena rehetra ka handray ny famonjena toy ny fanomezana. Tsy noho ny fahamarinan'ny tenany no hahazoan'ireo voavonjy mianika ny rindrin'ny Paradisa, ary tsy ny fanatitra volamena na volafotsy lafo vidy no hanokatra ny vavahadiny, fa ny fahamendrehan'ny hazo fijalian'i Kristy no hahazoan' izy ireo miditra ao amin'ireo fitoerana maro ao an-tranon' ny Ray.
Ny fiononana lehibe indrindra ho an'ny mpanota, ny antony lehibe indrindra tokony hifaliana dia izao: nomen'ny lanitra i Jesiisy ho Mpamonjy fly mpanota (...). Nanolo-tena handia ilay tany nahasolafaka sy nahalavo an'i Adama Izy mba hifanatrika amin' ilay mpaka fanahy eo an-tanim-piadiana sy handresy azy, ho an'ny olombelona. Banjino Izy nalaim-panahy tany an' efitra. Nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina Izy, niaritra ny famelezana mahery vaika indrindra avy amin'ny herin'ny maizina. (...) (Isa. 63:3). Tsy ho an'ny Tenany izany, fa mba hanapahany ny fatoran'ny fanandevozan'i Satana, izay mangej a ny taranak' olombelona.
Nitady izay hahazoana hery .avy amin-dRainy i Kristy mba hahafahany miatrika ny fotoan-tsarotra sy ny fitsapana, ary izany no tokony hataontsika. Natao hanaraka ny ohatr' Ilay Zanak'Andriarnanitra tsy manan-tsiny isika. (...) Tsy maintsy miantoraka eo amin'Ilay vonona hamonjy antsika amin'ny fotoana rehetra ilana izany ny fanahintsika malemy. Matetika loatra isika no manadino ny Tompo. Mora manaonao foana ny "izaho", ary dia very ny fandresena tokony ho azontsika.
Raha resy isika dia aoka hibebaka faingana sy hanaiky ny famelan-keloka, fa izany no hanome antsika tombon-kery. (...) Omena antsika maimaim-poana ny fahasoavany mamonjy. Atolony ho an'izay rehetra mandray izany ny famelan-keloka. (...) Isaky ny misy mpanota iray mibebaka dia mifaly sy mihoby ireo anjelin' Andriamanitra. Tsy misy mpanota tokony ho very na iray aza. Ny fahasoavana dia fanomezana mahavonjy tanteraka sy maimaimpoana. — GAG, t. 179.