"Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika." Isa. 53:5.
Mofon’aina:
Voafetra ihany ny fijerin'ny sasany momba ny sorom-panavotana nataon'i Jesôsy . Mihevitra izy ireo fa ampahany kely ihany amin'ny famaizan'Andriamanitra no niaretan'i Kristy. Inoany fa na dia nahatsapa ny fahatezeran'Andriamanitra aza Ilay Zanany malala dia nahita porofon'ny fankasitrahan'ny Rainy Azy tao anatin'ny fijaliany rehetra, ka ny varavaram-pasana teo anatrehany aza dia nazava sy namirapiratry ny fanantenana, ary teo Aminy mandrakariva ny porofon'ny voninahiny ho avy. Fahadisoan-kevitra lehibe izany. Ny nampahory indrindra an'i Kristy mantsy dia ny fahatsapany ny tsy fankasitrahan'ny Rainy. Kely ihany ny mety ho fahatakaran'ny olona ny halehiben'ny fahorian-tsaina naterak'izany ho Azy.
Ho an'ny olona maro, ny nandaozan'ny Tompo ny lanitra, ny nietreny hatramin'ny fahafatesana (...) dia tsy mampihetsi-po loatra noho ny fahafafatesan'ireo maritioran'i Jesôsy. Maro mantsy no maty rehefa avy nampijalijaliana, ary ny sasany nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana koa. Inona ary no mampiavaka ny fahafatesan'i Jesôsy amin'ny an'ireo? (...) Raha fanaintainana ara-batana ihany no nampijaly an'i Kristy dia tsy ho nanaintaina mihoatra noho ny an'ireo maritiora sasany ny fahafatesany. Saingy ampahany bitika amin'ny fijaliana nanjo ny Zanaka malalan'Andriamanitra ny fanaintainana ara-batana. Nivesatra ny fahotan'izao tontolo izao Izy, ary nihatra tamin'ny ainy ny fahatezeran-dRainy teo am-piaretany ny sazin'ny fandikan-dalana. Ireo no nandratra ny fanahiny (...). Tsapan'Ilay Lehilahin'i Kalvary tsy manan-tsiny tamin'ny fomba mazava sy tamin'ny fahafenoany ny fisarahana teo amin'Andriamanitra sy ny olona, vokatry ny fahotana. Nampahory azy ny herin'ny maizina. Tsy nahita na tara-pahazavana tokana aza Izy nanazava ny hoavy (...). Ora manjombona mahatsiravina izany, niafina taminy ny tavan'ny Rainy, nanery Azy manodidina ny tafiky ny anjely ratsy, ary namesatra azy ny fahotan'izao tontolo izao; tao anatin'izany rehetra izany Izy no niloa-bava hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" (...)
Tsy misy vidiny ny ezaka hafa rehetra manoloana ity fahafoizan-tena hahazoan'ny olombelona fiainana mandrakizay ity. — GAG, t. 171.