"Ny famindram-pon’i Jehovah no hambarako, dia ny fiderana an'i Jehovah araka izay rehetra nataony tamintsika sy ny haben'ny fahasoavana tamin'ny taranak 'Isiraely (..)." Isa. 63:7.
Mofon’aina: Rehefamamelombelonany fanahy tsy tapaka ny fahatsapana ny famindrampon ' Andriamanitra dia hisoritra eny amin'ny endrika ny fiadanana sy ny fifaliana. Ho hita eo amin'ny fiteny sy ny asa izany. Hanana hery manova ny fon'ny hafa ny fiainana noho ny asan'ny Fanahin'i Kristy ao am-po. (...)
"Mba hankalazaina ao aminareo ny anaran'i Jesosy Tompontsika, ary hianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan 'Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo." — 2 Tes. 1:12.
"Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, (...) sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an 'Andriamanitra. " - Fil. 1:9-11.