"Ary nomeko azy ny voninahitra izay nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny mahiray Antsika. Izaho ao aminy, ary Hianao ato Amiko, mba ho tanteraka ho iray izy, mba ho fantatr 'izao tontolo izao fa Hianao efa naniraka Ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao Ahy." - Jao. 17:22,23.
"(...) Tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra." - 2 Kôr. 4:2.
"(...) Dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy (...) mba horaisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy." - Efes. 5:25,27.
"Voahombo miaraka amin'i Kristy amin'ny hazofijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko, fa izay ivelomako ankehitriny eo amin'ny nofo dia ivelomako amin'ny finoana ny Zanak'Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy." - Gal. 2:20.
Mofon’aina: Tsy handray zavatra latsaky ny fanoloran-tena tanteraka tsy misy fepetra Andriamanitra. Ny Kristianina mpanota, manana fo mizarazara dia tsy mba hiditra ny lanitra na oviana na oviana. Tsy hahita fifaliana any izy ireo (...).
"(...) Fa avy ny andrianan'izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato Amiko izy." - Jao. 14:30.
Mofon’aina: Nanome ohatra ny amin'ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiangonany ny Mpamonjy teo amin'ny fahazarana rehetra teo amin'ny fiainany. Ambarao amin'ny olona izany. Irin'i Kristy ny haneho ny fiangonany ho tsy misy tsiny na pentina, eo anatrehan'ny Ray.
« Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. » - Mat. 10:32,33.
"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12.