"Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra, (...) sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan’i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an 'Andriamanitra. " - Fil. 1:9-11.
Mofon’aina:
Eo amin'izay misy fiainana dia hisy fitomboana sy fitondrana voa; kanefa raha tsy mitombo amin'ny fahasoavana isika dia harefo, ho farofy, ary tsy hitondra voa ny fiainam-panahintsika. Tsy ho tratrantsika ny tanjon'Andriamanitra ho antsika raha tsy amin'ny alalan'ny fitomboana sy ny fitondrana voa. "Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo" - Jao. 15:8. Mba harnoazantsika be dia tsy maintsy hararaotintsika ny tombontsoa sy fahafahana ary ny fotoana rehetra omena antsika mba hahazoantsika hery.
Efa vonona ho an'ny olombelona tsirairay ny toetra madio sy mendrika miaraka amin'ny fahafaha-manaony rehetra. Saingy maro no tsy mba maniry fatratra ny hanana izany toetra izany. Tsy vonona hiala amin'ny ratsy izy mba hahazoany ny tsara (...). Tsy afaka mitombo izy ireo.
Anisan'ny drafitr 'Andriamanitra ho amin'ny fitomboana ny fahaiza-mizara. Natao hitombo hery amin'ny alalan'ny fankaherezana ny hafa ny Kristianina.
"(..) Izay mandena dia mba holen kosa" — Ohab. 11:25. Tsy teny fika fotsiny izany fa lalàn'ny lanitra mils lalàna izay nanendren'Andriamai ny riandranon'ny fahatsaram-po, tal ny rano ao amin'ny lalina indrir hikoriana tsy tapaka sy hiverina amin'ny loharano niaviany. Ao amia fahatanterahan'izany lalàna izay misy ny tsiambaratelon'ny fitomboana.
Ry Kristianina, hita eo amint ve i Kristy? Manao ny ezaka rer ve isika mba hanana vatana salami marefo, saina mahatsinjo ny anke ny "izaho" ka mahita ny anton) ny vokatry ny fihetsika tsirai: Ataontsika .ve izay rehetra tratry herintsika mba hananana saina miatrika olana lehibe ka maha izany, hanana sitrapo miorina t5 manohitra ny ratsy sy miaro ny ts Efa manombo ny "izaho" ve is Mitombo ho lehilahy sy vehivavy lel mahatratra ny ohatry ny halehibet fahafenoan'i Kristy ve isika ka vor hiaritra ny mafy tahaka ny miarai tsaran'ny hazo fijaliana? — GAG, t.