Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Finoana sy teny fikasan'Andriamanitra

Daty
Alatsinainy 22 July 2024

"Indro, feno avonavona ny fanahin'ireny, fa tsy mahitsy ao anatiny, fa ny marina ho velon'ny finoany." - Hab. 2:4. 

Mofon’aina:
Tamin'ny fotoana nanjakan'i Josia sy taona maro talohan'izao dia nieritreritra ireo olona nahatoky tao amin'ny Joda raha ho tanteraka ihany ireo teny fikasan'Andriamanitra nataony tamin'ny Isiraely fahizay (...) 

I Habakoka no nilaza ireo fanontaniana feno tebiteby ireo raha nahita ny finoan'ireo olona tamin'ny androny ka namoaka izay mavesatra tao am-pony hoe: "Jehôvah ô indrisy ny hahelan'ny efa nitarainako, nefa tsy nohenoinao!" – Hab. 1:2 (...) Ny finoany izay nihoatra ny azo heverina ny amin'ny ho avy dia nifikitra mandrakariva tamin'ireo teny fikasana sarobidy momba ny fitiavan'Andriamanitra ireo Zanany mahatoky, ka nanao hoe: "tsy ho ringana isika". Niaraka tamin' ity fanambarana amim-pinoana ity no nametrahany ny toe-java-nisy teo aminy sy ireo vahoaka mino tao Isiraely teo am-pelatanan'Andriamanitra mpamindra fo (...)

Ny finoana izay nanatanjaka an'i Habakoka sy ireo masina sy marina tamin'izany fotoan'ny fisedrana mahamay izany no finoana izay mitahiry koa ny vahoakan'Andriamanitra ankehitriny. Ao anatin'ny ora maizina, eo ambany toe-javatra mangidy, dia afaka mitahiry ny fanahiny hitoetra eo amin'ilay loharanon'ny fahazavana sy ny hery rehetra ireo Kristianina mino an'Andriamanitra. Isan'andro amin'ny alalan'ny finoana dia havaozina hatrany ny fanantenany sy ny herim-pony, "fa ny marina amin’ny finoana no ho velona." – Hab. 2:4b (...)

Tsy maintsy mankasitraka sy mikolokolo ny finoana izay niainan'ireo mpaminany sy Apôstôly isika, finoana miorina amin'ny teny fikasan'Andriamanitra ary miandry ny fanafahana araka ny fotoanany sy ny fombany. Ireo teny azo antoky ny faminaniana dia hihaona amin'ny fahatanterahana farany rehefa ho avy am-boninahitra ny Tompo Jesôsy Mpamonjy antsika, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo (...) Toy ny tamin'ny alalan'ny mpaminany izay niezaka nampahery an'i Joda tao amin'ny fotoanan'ny fihemorana tsy nisy toa azy, dia aoka isika hilaza amim-pahatokiana hoe: "Jehôvah dia ao amin’ny tempoliny masina; mangina eo anatrehany, ry tany rehetra." – Hab. 2:20. Aoka isika hitoetra eo amin'ny fahatsiarovana ilay hafatra mamintsika manao hoe: "Fa ny fahitana dia mhola ho amin'ny fotoan'andro, ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso; Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany, fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona."- Hab. 2:3 – CC, t. 242. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal