"Ary nampahalala azy ny Sabatanao masina Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy. " - Neh. 9:14.
Mofon’aina:
Misy milaza fa natao ho an'ny Jiosy ihany ny Sabata, nefa tsy niteny izany velively Andriamanitra. Nankinin'Andriamanitra tamin'ny Isiraely vahoakany ny Sabata, toy ny andraikitra masina. Kanefa ny nifidianany hanambara ny lalàna tao an'efitr'i Sinay fa tsy tao Palestinina, dia maneho fa nataony ho an'ny taranak'olombelona rehetra izany. Efa nisy hatry ny ela, tahaka ny Famoronana ihany, ny Didy Folon'Andriamanitra. Koa tsy misy ifandraisany manokana amin'ny Jiosy ny lalàna momba ny Sabata, fa natao ho an' izay nohariana rehetra. Nataon'Andriamanitra tsy maintsy hotandreman'ny lehilahy sy ny vehivavy rehetra ny Sabata.
Nambara mazava fa "Ny Sabata natao ho an 'ny olona" — Mar. 2:27. Koa aoka tsy hisy ho voafitaka ka hihaino ny fanambaran'olombelona; aoka kosa ny tsirairay hihaino sy hanome lanja ny Tenin'Andriamanitra.
Tao Edena dia hoy Andriamanitra tamin'i Adama momba ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy: "amin'ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao." — Gen. 2:17b. Nefa "hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr 'Andriamanitra fa amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an 'Andriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy. " — Gen. 3:4,5. Nihaino ny feon'i Satana niteny tamin'ny alalan'ny vadiny i Adama; nino feo hafa ankoatra Ilay nanambara ny lalàna tao Edena izy.
Nozahan-toetra ny olombelona tsirairay, toy ny natao tamin'i Adama sy i Eva tao Edena. Tahaka ny nametrahana ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy teo afovoan'ny saha Edena no nametrahana ny Sabata koa ho eo afovoan'ny Didy Folo (...) (Eks. 20:8). Nisedrana ny fankatoavan'i Adama ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, ary toy izany koa, nataon'Andriamanitra hizahan-toetra ny fahatokian'ny vahoakany rehetra ny didy fahefatra. Natao ho fampitandremana antsika ny fanandraman'i Adama, raha mbola maharitra koa ny fotoana. Mampitandrina antsika izany mba tsy hatoky izay aloaky ny vavan'olona mety maty, na ny an'ny anjely, izay hanafoana litera iray na tendron-tsoratra iray amin'ny lalàna masin'i Jehôvah. — RH, 30 Aogôsitra 1898.