"Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin 'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." - Jao. 7:17.
Mofon’aina:
Ireo izay mandinika amim-panetren-tena sy amim-bavaka ny Soratra Masina, mba hahafantatra sy hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia tsy hisalasala ny amin'ny adidiny amin'Andriamanitra; satria "Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin 'ny fampianarana izy. " Raha te hahafantatra ny zava-miafin'ny fahamasinana ianao, dia aoka hanaraka ny tenin'ny fahamarinana mazava — na mampihetsi-po anao izany na tsia. Ny fankatoavana dia tsy maintsy avy amin'ny faharesen-dahatra hanaraka fitsipika, ary ny marina dia tsy maintsy atao na inona na inona zava-mitranga. Ny olona manana toetra toy izany no fidin'Andriamanitra ho amin'ny famonjena.
Omena ao amin'ny Tenin' Andriamanitra ny fomba hamantarana ny tena Kristianina marina. Hoy i Jesosy: "Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko." — Jao. 14:15. (...) Ny fitandremanao ny didin'Andriamanitra dia porofon'ny fanananao anj ara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava. Misy toetra tsara takin'Andriamanitra; ary izay rehetra mahatratra ny fenitra napetrany, noho ny fahasoavan' i Kristy, dia ho tafiditra soamantsara ao amin'ny fanj akan ' ny voninahitra. (...)
Aoka ho tonga mpiara-miasa amin' Andriamanitra ianao raha tianao ny handova ilay fitsaharana izay mbola misy ho an'ny zanak'Andriamanitra. Voafidy hitondra ny ziogan'i Kristy ianao — hitondra ny entany, hitondra ny hazo fijaliany. Aoka ianao hazoto "hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana" anao (2 Pet. 1:10).
Diniho ny Soratra Masina dia ho hitanao fa tsy misy taranak'i Adama, na lahy na vavy, natao hovonjena ao anatin'ny tsy fankatoavana ny lalàn'Andriamanitra. Manao izay hahafoana ny lalàn'Andriamanitra izao tontolo izao, fa ny Kristianina kosa nofidina mba hohamasinina amin'ny alalan'ny fankatoavana ny fahamarinana. Natao hitondra ny hazo fijaliana izy ireo raha maniry hitondra satro-boninahitra.
Ny Baiboly no hany fitsipiky ny finoana sy ny foto-pampianarana (...). Ny fahamarinana sy ny fivavahana ara-Baiboly ihany no ho tafajoro amin'ny andro fizahan-toetra sy fitsarana. Tsy azontsika atao ny manolana ny Tenin'Andriamanitra araka izay mety amintsika mba hahazoantsika tombony araka izao tontolo izao. Aoka kosa isika hanontany amim-pahatsoram-po hoe: "Andriamanitra ô, inona no tianao hataoko?" — RH, 17 Jolay 1888.