"Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy." - Asa. 5:32
Mofon’aina:
Tian'Andriamanitra raha manao amim-pahatokiana ny adidiny ny mambran'ny fiangonana tsirairay, tiany ny hahatsapan'izy ireo ny andraikiny, ary tiany ny hanjakan'ny rivo-piainan'ny lanitra ao amin'ny fanahy (...).
Tokony haneho an'i Kristy isika, tahaka ny nanehoan'i Kristy ny Ray. (...) Tsy saronan'i Kristy ny Fahamarinany ny fahotana, fa esoriny aloha ny fahotana ary ataony eo amin'ny toeran' izany ny Fahamarinany. Rehefa voadio ny fahotanao dia ho loha lalanao ny fahamarinan'i Kristy, ary ho vody lalanao ny voninahitr'i Jehôvah . Hiandany tanteraka amin'i Kristy ny hery miasa mangina avy aminao amin'izay fotoana izay, ary tsy hifantoka amin'ny tenanao intsony ianao fa hanao an'i Kristy ho ivo, dia ho tsapanao fa mpitandrina ny fahamarinana masina ianao.
Rehefa tsaroanao fa nandoa ny sandan'ny fanavotana anao sy ny hafa tamin'ny Rany i Kristy, dia hanetsika anao izany ka horaisinao ny famirapiratan'ny Fahamarinany mba hanehoanao ny tarany eo amin'ny lalan'ireo manodidina anao. (...) Ilaintsika ny mandray ny Fanahy Masina. (...) Ny Fanahy Masina no Mpampionona izay nampanantenain'i Kristy tamin'ireo mpianany fa hampahatsiahy azy ireo ny zavatra rehetra nolazainy taminy.
Aoka àry isika tsy hijery ny tenantsika intsony fa hibanjina Ilay mpanome ny fahatsarana rehetra. Tsy misy olona mahay manatsara ny toetrany; tsy maintsy mankeo amin'i Jesôsy araka izay toetsika isika ka maniry tanteraka ny hodiovina amin'ny pentina sy ny lotom-pahotana rehetra ary handray ny fanomezana atolotra antsika - ny Fanahy Masina. (...) Amin'ny finoana velona no tsy maintsy hamikirantsika ny Teny fikasany, satria hoy Izy hoe: "Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon 'ondry fotsy." - Isa. 1:18.
(...) Tokony ho tahaka ny miaramila mahatoky isika, izay mandeha eo ambanin'ny faneva voapentin-dran'ilay Imanoela Andriana. (...) Fantatr'Ilay Kapitenin'ny famonjena antsika ny drafitry ny ady ka hanoatra noho mpandresy isika amin'ny alalany. - RC, t. 213.