Araka ny nohazavain'ny lesona tamin'ny herinandro lasa dia manomboka amin'i Jesôsy Kristy ilay Teny, sy ny fisiany mandrakizay talohan'ny Famoronana, ny filazantsaran'i Jaona. Kanefa hita ao amin'io fampidirana io koa fa vavolombelona manambara an'i Jesôsy i Jaona. Nanantena mesia anankiroa ny Jiosy sasany tamin'ny andron' i Jesôsy: ny iray miendrika mpisorona, ary ny iray miendrika mpanjaka. Mampianatra mazava i Jaona fa tsy nilaza ny tenany ho ny anankiray amin'ireo mesia ireo i Jaona mpanao batisa, fa izy kosa manambara Ilay tena Mesia.
Vakio ny Jao. 1:19-23. Ahoana no anazavan' i Jaona ny asany sy ny iraka nampanaovina azy?
Naniraka mpisorona sy Levita ireo mpitondra fivavahana mba hanontany an'i Jaona hoe iza moa izy. Noho ny fiheveran-diso nanjaka tao Jodia momba ny mesia dia zava-dehibe ho an'i Jaona ny nanazava tsara ny momba azy teo anatrehan'ireo fiheverana ireo. Tsy izy no llay Mazava, fa nirahin'Andriamanitra ho vavolombelona hanambara ny Mazava kosa izy, sy hanomana ny olona ho amin'ny fiavian'ny Mesia (Jao. 1:6-8). Izany no antony namaliany azy ireo mazava araka izay azony natao hoe: "Tsy izaho no Kristy." - Jao. 1:20.
Ary izao koa, nanao batisa tamin'ny rano i Jaona, fa i Kristy kosa amin'ny Fanahy Masina (Jao. 1:26,33). Tsy mendrika hamaha ny fehin-kapan'i Jesôsy aza i Jaona (Jao. 1:27). Manan-tombo i Kristy raha mitaha amin'i Jaona satria Izy no efa talohan'i Jaona (Jao. 1:30). Zanak'Andriamanitra i Jesôsy , ary nanondro Azy fotsiny i Jaona (Jao. 1:34).
Vakio ny Isa. 40:1-5 sy ny Jao. 1:23. Ahoana no nampiasan' i Jaona ireo andininy ireo?
Tamin'izany andro izany dia feno lavadavaka sy vatovatoina ny lalana, koa mazána no nisy mpanompo nirahina hialoha ny mpanjaka mba handravona ny mikitoantoana sy hanamboatra ny lalan'ny mpanjaka hahitsy tsara. Toy izany no nahatongavan'i Jaona, izay nahatanteraka ny faminaniana, mba hanomana ny fon'ny olona handraisana an'i Jesôsy.
Amin'ny fomba ahoana no tokony hiasantsika, amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, tahaka an'i Jaona mpanao batisa koa? Inona no mampitovy antsika aminy?