"Fanilon 'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao." - Sal. 119:105.
Mofon’aina:
Mitsahara, fa aza manao ratsy; mianara hanao ny tsara" (Isa. 1:16,17). 10 no lesona tokony hianaran'ny tsirairay isan'andro. Ny fanazarana ny tena no voalohany. Fanabeazana tsy mitsahatra atao amin'ny hafa ny hery miasa mangina avy amin'ny fiainana marina sy mahatoky. Ireo izay voafehy sy tarihin'ny foto-kevitra ara-pitondran-tena sy ara-pivavahana miorina amin'ny Tenin'Andriamanitra mazava, dia mandeha araka ny fisainana sy ny sitrapon'Andriamanitra, Izay hendry loatra ka tsy manao fahadisoana, ary tsara loatra ka tsy hanisy ratsy antsika.
Raha tianao ny handeha amim-pahendrena, dia mandehana araka ny didin'Andriamanitra. Eo am-pelatanantsika ny Tenin'Andriamanitra. Tsotra sady mazava io Teny io ka tsy misy tokony ho diso hevitra raha tsy hoe avelany hitarika azy ny fironany ho amin'ny ratsy, izay toetra nolovainy sy nokolokoloiny. Nifanandrina tamin'i Satana mpamitaka ny Mpanavotra anao tamin'ny alalan'ny "Voasoratra hoe", ary koa tamin'ny alalan' ilay baiko hoe: "Mankanesa ato ivohoko, ry Satana". Manoro hevitra anao aho, raiso amim-pitiavana ny Teny avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra, izay afaka mamonjy ny fanahinao. to no aro sy hery ho anao. lzay mikatsaka marina ny fahamarinana dia tsy hanafangaro ny marina amin'ny diso. Ny tenin'Andriamanitra no mofon'aina izay azon'ny rehetra andraisana anjara mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. (...) Ny fahamarinana no hazon'aina; natao hihinana ny raviny ny taranak' olombelona mba ho velona.
Ireo izay miezaka ny hanazava ny Teny amin'ny heviny manokana, izay mamaky izany araka ny fisainany manokana, dia tsy hahita na oviana na oviana ny fahamarinana, ary ho faty ao amin'ny fahotany. Ireo izay mihinana amin'ny hazo voarara dia manaiky ny laingan'i Satana fa tsy ny "izao no lazain'i Jehôvah "; ary raha tsy mibebaka izy ireo dia tsy hahazo flay fiainana mifamatra amin'ny fiainan'Andriamanitra mihitsy. (...) Miaina ao anatin'ny andro fitsarana isika izao, izay andro lehibe. Tokony ho feno tahotra sy fanajana isika satria eo anatrehan'Andriamanitra mandrakariva. Tsy maintsy manapa-kevitra ny tsirairay na hankatò dia ho velona, na tsy hankatò dia ho levona. — UL, t. 125.