Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: FANAMBARANA MARO MOMBA AN’I JESÔSY - Ny fanambaran’Andriamanitra Ray

Daty
Alarobia 06 November 2024

Ny firesahan'i Jaona momba ny Teny (logos) izay "tao amin'Andriamanitra", izany hoe, tao amin'Andriamanitra Ray, no manomboka ny filazantsarany (Jao. 1:1). Rehefa tonga nofo ny Teny dia ny Fanahy no vavolombelona nanambara an'i Jesôsy tamin'ny nidinany sy nitoerany teo Aminy tamin'ny batisany (Jao. 1:32-34). Kanefa ny Ray koa dia nanao fanambarana momba an'i Jesôsy nandritra ny asany teto an-tany.

Vakio ny Jao. 5:36-38. Inona no lazain’i Jesôsy eto momba ny Ray?

Ampifandraisin'i Jesôsy amin'ny Ray ny asa sy ny fahagagana nataony. Nolazainy mazava fa ny Ray no naniraka Azy sady nanambara Azy koa.

Vakio ny Mat. 3:17, Mat. 17:5, Mar. 1:11, ary ny Lio. 3:22 (jereo koa ny 2 Pet. 1:17,18). Inona no ambaran'ny Ray momba an'i Jesôsy?

Tamin'ny batisan'i Jesôsy dia nankeo amin'llay Zanaka ny Ray sy ny Fanahy Masina, nanamarika io fotoan-dehibe io, dia ny fanombohan'ny asan'i Jesôsy teto an-tany. Nanambara ny Ray fa i Jesôsy no Zanany malalany izay sitrany. Kanefa mbola niteny indray ny Ray tamin'ny fotoana fray lehibe tao anatin'ny asa fanompoan'i Kristy, araka ny voasoratra ao amin'ny filazantsaran'i Jaona.

Nampanano sarotra ny toe-javatra tamin'ny faramparan'ny asan'i Jesôsy teto an-tany. Naniry ny hahafaty Azy, mihoatra noho ny hatramin'izay, ireo mpitondra fivavahana izay tsy nahasakana Azy (jereo ny Jao. 12:19). Feno hafanam-po ny vahoaka niresaka momba an'i Jesôsy, indrindra moa rehefa reny ny fanambaran'ireo izay nahita Azy nanangana an'i Lazarosy tamin'ny maty (Jao. 12:17,18), ka nihamaro ny olona nanaraka Azy. Na ireo Grika tonga mba hanatrika ny andro firavoravoana aza mba naniry hahita an'i Jesôsy.

Tamin'io fotoana io, ho setrin'ilay tenin'i Jesôsy ao amin'ny Jao. 12:28 hoe: "Ray (5, mankalaza ny anaranao", dia namaly avy any an-danitra ny Ray nanao hoe: "Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray."— Jao. 12:28.

Araka ny efa hitantsika dia ny oran'ny hazo fijaliana no fotoam-pankalazana an'i Jesôsy. Koa io fanambaran'ny Ray momba an'i Jesôsy io dia manondro ilay sorona lehiben'ny Zanak'ondrin'Andriamanitra noho ny fahotan'izao tontolo izao. lo no faratampon'ny asan'i Jesôsy teto an-tany. Ny nahafatesany ho antsika no nandoavany manontolo ny onitra noho ny otantsika rehetra; ary ao Aminy, amin'ny alalan'ny finoana, dia tsy hizaka velively izany sazy izany samirery isika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal