Vakio ny Jao. 3:1-21. Manohana lay lohahevitra voizina ao amin'ny filazantsaran'i Jaona ny fanambaran'i Nikodemôsy: amin'ny fomba ahoana?
Mpampianatra nohajaina teo amin'ny Isiraely i Nikodemôsy, ary mambran'ny Synedriona izay nanan-karena. Mitana toerana lehibe ao amin'ny filazantsaran' i Jaona ny fanambarany noho ny antony maro. Nantsoiny hoe "Raby" i Jesôsy, ary noresahiny ny amin’ireo famantarana nataon'i Jesôsy izay manaporofo ny maha-avy amin’Andriamanitra ny asany. Dia toy izany no nanomezan’i Nikodemôsy porofo manohana ny maha-Mesia an'i Jesôsy, na dia tsy mbola fantany akory aza fa nanao izany izy.
Noraisin'i Nikodemôsy ho porofon'ny maha-avy amin'Andriamanitra ny asan'i Jesôsy ireo famantarana ireo, saingy tsy hitany fa nanondro an'i Jesôsy ho fahatanterahan'ny faminaniana ao amin'ny TT momba ny Mesia ireo. Koa nisy fisalasalana tao aminy raha tonga nanatona an'i Jesôsy izy. Tsy nanaiky ani Jesôsy ho Kristy izy tamin'io fotoana io.
Vakio ny Jao. 3:3-21. Inona no nambaran'i Jesôsy tamin'i Nikodemôsy mba hanehoana fa afaka namaky ny tao an-tsainy Izy?
Mahafantatra ny ao am-pon'ny olona tsirairay i Jesôsy. Toa mivantambantana no fahitana ny famalin'i Jesôsy an'i Nikodemosy, kanefa notsoriny ny resaka. Ninoan'ny Jiosy fa mila miova fo ny Jentilisa, kanefa maro tamin'ireo Jiosy ireo no tsy nahatakatra fa ny tenany koa, izay vahoaka voafidy, dia nila izany fiovam-po izany. Tsy misy olona voavonjy hatramin'ny nahaterahany izany, na inona na inona firazanany na fiangonana nahalehibe azy.
Tsy isalasalana fa maro ny tombon-tsoan'ny Jiosy, noho ny halehiben'ny lovany izay fantatra hatramin'ny tantaran'i Abrahama (Rôm. 3:1,2). Kanefa tsy ampy raha izany fotsiny. Izay tsy hain'i Nikôdemôsy nosainina no nambaran'i Jesôsy taminy, dia ny tsy maintsy hahaterahany indray avy any ambony, izy izay mpampianatra sy mpanapaka ny Isiraely!
Dia nasehon'i Jesôsy an'i Nikodemôsy ny tsy fahalalany ara-panahy: "Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?" - Jao. 3:10. Ahoana no tsy hahaizanao izany kanefa mpampianatra ambony sy hajaina ianao? Inoana fa nanindrona izany teny izany.
Na nametra-panontaniana maro momba an'i Jesôsy aza i Nikodemôsy tamin'io fotoana io, dia niandany ho isan'ny mpanara-dia an'i Jesôsy ihany izy taty aoriana (Jao. 19:39).
Inona no hevitry ny hoe: "ateraka indray", ary nahoana no notsindrian'i Jesôsy tsara izany.