Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 6:1-15; Isa. 53:4-6; 1 Kôr. 5:7; Jao. 6:26-36; Jao. 9:1-41; 1 Kôr. 1:26-29; Jao. 11.
Tsianjery: "Hoy Jesôsy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va hianao?" — Jao. 11:25,26.
Mazava ny Baiboly fa i Jesôsy Kristy no Ilay Zanaka mandrakizay, iray amin'Andriamanitra Ray; tsy misy tahaka Azy ary tsy voary Izy. I Jesôsy no nahary izao zavatra ary rehetra izao (Jao. 1:1-3). Araka izany dia efa nisy hatrizay i Jesôsy; tsy mbola nisy ny fotoana tsy nampisy Azy. Na dia tonga teto amin'ity tany ity aza i Jesôsy ka tonga olombelona, dia mbola Andriamanitra hatrany Izy, ary nisy fotoana manokana nanaovan'i Jesôsy teny sy asa manambara ny maha-Andriamanitra Azy.
Nanan-danja lehibe ho an'i Jaona io fahamarinana io, ary izany no nahatonga azy nitantara ny sasany tamin'ireo fahagagana nataon'i Jesôsy, mba hanehoana ny maha-Andriamanitra an'i Kristy. Tsy nanao teny manambara ny maha-Andriamanitra ny Tenany fotsiny i Jesôsy fa nampiarahiny tamin'ny asa maneho ny maha-Andriamanitra Azy koa izany.
Handinika ireo famantarana telo lehibe indrindra ny maha-Andriamanitra an'i Jesôsy isika amin'ity herinandro ity. Ny manaitra dia ny tsy finoan'ny olona sasany ilay fahagagana sy ny tsy fahatsapany ny mahazava-dehibe azy tamin'ny fotoana nitrangan'izany. Ho an'ny olona sasany dia fotoana nialana tamin'i Jesôsy izany; ho an'ny hafa kosa dia fotoana nilentehany tao anatin'ny fahajambana. Nisy ireo izay nandray izany ho fotoana hiraisana tetika hamonoana an'i Jesôsy, ary nisy kosa nandray izany ho fotoana hinoana fa i Jesôsy no Mesia.