Hamasinin’ny finoana
Fianarana fanampiny: Vakio ny ny fankatoavana 1FM, toko 41: "Ny zava-tsarotra tany - Galilia", sy ny toko 68: "Tao amin'ny kianja ivelany".
banana
"q-lo any amin'iza moa izahay?' Andevon'ny fomba om•a rye any ny mpampianatr'Isiraely. Nifanditra mandrakariva ny Fariseo sy ny Sadoseo. Ny mandao an'i Jesosy dia mahatonga azy ho latsaka ao anivon'ireo fatra-panaraka ny fombafombam-pivavahana, sy eo amin'ny olona be hambom-po tsy nitady afa-tsy ny voninahitry ny tenany. Nahita fiadanana sy fifaliana betsaka ny mpianatra hatramin'izay nanekeny an'i Kristy ho ambony indrindra tao amin'ny fiainany tany aloha rehetra. Ahoana no ahazoanay miverina any amin'ireo izay nanamavo sy nanenjika Ilay Sakaizan'ny mpanota? Efa nibanjina ela ny fiavian'ny Mesia izy; tonga Izy izao, ka tsy azony atao ny hiodina tsy ho eo anatrehany ka ho any amin'izay mihaza ny ain'ny Mesia, sy nanenjika azy ireo noho izy ireo tonga mpanaraka Azy. "1-lankany amin'iza moa izahay?' Tsy ny hiala amin'ny fampianaran'i Kristy avy amin'ny lesona nataony feno fitiavana sy famindrampo, ka ho eo amin'ny haizin'ny tsy finoana, ny haratsiam-panahin'izao tontolo izao. Raha nandao ny Mpamonjy ny olona maro izay nanatri-maso ny asa mahagaga nataony, dia nampiseho ny finoan'ny mpianatra kosa i Petera nanao hoe: — 1-iianao no Kristy'. Ny fiheverana fotsiny fa tsy ho azony ifikirana intsony io vatofantsiky ny fanahiny io dia mameno tahotra sy fahoriana azy. Ny tsy manana Mpamonjy no ho voatarika hivily ho any amin'ny ranomasina maizina sy misamboaravoara."- IFM, t. 314 (ed. 2023).
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Ao amin'ny kilasy, resaho ny amin'ilay fanontaniana sarotra hoe: nahoana ny olona sasany, rehefa omena porofon'ny maha-Mesia an'i Jesosy sy ny mahamarina ny fivavahana kristianina, no manaiky izany amim-pifaliana, fa ny hafa kosa manda izany?
2. Inona ny fahamarinana manan-danja lehibe kokoa noho ny hoe: maty noho ny fahotantsika i Jesosy Kristy? Ahoana anefa no nahafantarantsika izany fahamarinan-dehibe izany? Ny siansa ve, sa ny lalan'ny zavaboary, sa ny fiheverantsika fa izany no tokony ho izy, sa ny fahaizantsika mandanjalanja? Na mety hahatonga antsika hino an'Andriamanitra Mpahary tokoa aza ireo rehetra ireo, dia Ilay Andriamanitra niandohan'ny zavatra rehetra, Ilay tsy nisy nahary Azy, sns dia tsy misy amin'ireo voatanisa ireo, na alaina tsirairay na atambatra, mahay mampianatra antsika ny fahamarinana ilaintsika ho fantatra, dia i Kristy maty noho ny fahotantsika. Inona ny lesona tokony horaisintsika avy amin'izany momba ny mahazava-dehibe indrindra ny fanaovantsika ny Baiboly ho fahefana farany sy faratampony mikasika ny finoana?
3. Nahoana no zava-dehibe tokoa ho an'ny finoan'ny olona iray ny mitantara Imo zavatra nataon Andnamamtra teo amin'ny fiainany manokana? .