Vakio ny Jao. 1:43-46. Inona no nolazain'i Filipo, izay nanambara fa efa nino an'i Jesôsy Izy?
Avy any Betsaida, tananan'i Andrea sy i Petera i Filipo. Nahita an'i Natanaela namany izy ary nitantara ny momba an’ i Jesôsy taminy. "Zanak'ondrin'Andriamanitra" no niantsoan'i Jaona mpanao batisa an'i Jesôsy. ary i Andrea nilaza tamin'i Petera fa nahita ny "Mesia" izy. Fa i Filipo kosa nilaza Azy ho "llay nosoratan'i Mosesy tao amin'ny lalàna, sy nosoratan'ny mpaminany" sady nampiany ilay anarana hoe: "Jesôsy avy any Nazareta". Nahatonga an'i Natanaela hanao fihetsika toa masiaka ny fandrenesana ilay anaran-tanàna hoe Nazareta.
Toa nisy hevitra nibahana mialoha momba ilay tanána kelin'i Nazareta tao an-tsain'i Natanaela. Ninoany fa tsy hisy mpanjaka velively hipoitra avy amin'io toerana tsy dia manahoana io. Mahajamba ny maso mora foana ny hevitra mibahana mialoha, ka tsy ahitana ny olona araka izay maha-izy azy marina. Toa fantatr'i Filipo, angamba avy amin'ny resaka nifanaovany mialoha tamin'i Natanaela, fa ny fomba mahomby hialany amin'ny hevitra mibahana mialoha dia tsy tohan-kevitra tsara lahatra ara-pilozófia na ara-teôlôjia, fa ny fanasana azy hanandrana ny fahamarinana ho an'ny tenany manokana. Hoy fotsiny izy: "Andeha hizaha. "Ary izany indrindra no nataony; nandeha izy dia nahita.
Vakio ny Jao. 1:47-51. Ahoana no nandresen'i Jesôsy lahatra an'i Natanaela mikasika ny Tenany? Inona no nasetrin'i Natanaela izany?
Tsy hita eo anelanelan'ny and. 46 sy ny and. 47 ny tsipiriany manan-danja momba ny namalian'i Natanaela ny fanasan'i Filipo. Kanefa nitsangana sy nandeha ihany izy mba hizaha. Nahery noho ny hevitra nibahana tao an-tsainy ny finamanany tamin'i Filipo, ka teo an-dalam-piovana ny fiainany nanomboka teo.
Nanao teny tsara momba an'i Natanaela i Jesôsy, niantso azy hoe Isiraelita izay tsy misy fitaka ao aminy (Jao. 1:47), izay mifanohitra tanteraka amin'ny filazan'i Natanaela momba an'i Jesôsy (Jao. 1:46). Nanaitra an'i Natanaela tokoa izany satria tsy mbola nahita an'i Jesôsy izy talohan'io.
Avy eo dia nilaza i Jesôsy fa nahita azy teo ambanin'ny aviavy, ary io fanambarana kely io no nandresy lahatra an'i Natanaela. Tamin'ny mason'Andriamanitra no nahitan'i Jesôsy an'i Natanaela nivavaka, nikatsaka ny fahamarinana teo ambanin'io hazo io (jereo ny IFM, t. 99, ed. 2023).
Dia niaiky i Natanaela, niantso an'i Jesôsy hoe Raby, Zanak’Andriamanitra, Mpanjakan'ny Isiraely. Mariho fa ilay fanambarana toa kely dia kely no nitarika ho amin'ny fiaikem-pinoana lehibe dia lehibe.