Niaraka tamin'i Jaona mpanao batisa ny mpianany roa lahy rehefa nitsangantsangana tsy lavitra teo i Jesôsy. Dia hoy i Jaona: "Indro ny Zanak'ondrin’Andriamanitra " - Jao. 1:36. Efa nihaino ny hafatr’i Jaona momba an'i Kristy izy roa lahy, Izay hahatanteraka ny faminaniana ao amin'ny TT momba ny Mesia ho avy. Nandao an'i Jaona ireo mpianatra ireo mba hanaraka an'i Jesôsy, fantatr’izy ireo fa lehibe noho i Jaona mpanao batisa i Jesôsy, ary izy no fahatanterahan'ny hafatr'i Jaona
Vakio ny Jao, 1:35-39. Inona no nataon'ireto mpianatra roa lahy ireto rehefa avy nandre ny fanambaran'i Jaona momba an' i Jesôsy?
Naniry hiaraka amin'i Jesôsy izy ireo, koa niaraka Taminy nandritra ny tontolo andro. Iza no mahalala ireo zava-mahatalanjona nianarany sy niainany tamin’izany?
Inoana fa nanan-danja lehibe izany satria avy hatrany dia naniry hizara ny fanandramany tamin'ny hafa izy ireo. I Andrea, iray amin'ireo mpianatra roa lahy, dia nankany amin'i Simona rahalahiny faingana nanao hoe: "Efa nahita ny Mesia izahay (izay atao hoe, raha adika ny Kristy)."- Jao. 1:42. Rehefa nentin'i Andrea teo amin'i Jesôsy ny rahalahiny dia nasehon'i Jesôsy avy hatrany fa fantany izy. Hoy i Jesôsy: "Hianao no Simona, zanak'i Jaona; hianao hatao hoe Kefasy." - Jao. 1:42. Mahalala sy mahafantatra tsara an'i Petera i Jesôsy. Hevitra voizin'i Jaona ao amin'ny filazantsarany io fahafantaran'i Jesôsy ny olona iray io. (Jereo ohatra ny Jao. 2:24,25).
"Raha nanana ny toe-tsaina tsy mino nisy teo amin'ny mpisorona sy ny mpanapaka i Jaona sy Andrea, dia tsy ho hita nianatra teo an-tongotr’i Jesôsy izy. Ho tonga hanao fanakianana sy hitsara ny teniny fotsiny izy ireo. (...) Tsy toy izany anefa no nataon'ireo mpianatra voalohany. Efa namaly ny antson'ny Fanahy Masina izy teo amin'ny fitoriana nataon'i Jaona Mpanao batisa. (...) Nisy fanazavana avy tamin'Andriamanitra nitosaka teo amin'ny fampianarana Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha." - IFM, t. 98 (ed. 2023).
Ny fanazavana ny hoe iza moa i Jesôsy no ifantohan'ny filazantsaran'i Jaona manontolo, mba ho voambara amin'izao tontolo izao izany vaovao mahafaly izany.
Ahoana no nanovan'i Kristy, na ny finoana an'i Kristy, ny fiainanao? Inona koa ireo fiovana mbola tianao hitranga?