"Fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo; tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-trano-maizina Aho, dia novangianareo." - Mat. 25:35,36.
Mofon'aina:
Mila ny firaisam-pontsika izao tontolo izao, mila vavaka sy fanampiana avy amin'ny vahoakan'Andriamanitra, ary mila mahita an'i Kristy eo amin'ny fiainan'ireo mpanara-dia Azy; kanefa ny vahoakan'Andriamanitra koa mila azy ireo mba hanehoany firaisam-po, mba hampisy vokany ny vavaka ataony, ary mba hahazoany mamolavola toetra araka an'Andriamanitra ao aminy. Izany no antony nametrahan'Andriamanitra ny vahoakany eo anivon'ny mahantra, ny sahirana, ny marary, ary ny mijaly. Lova navelan' i Kristy ho an'ny fiangonana ireo fadiranovana ireo, natao hokarakaraintsika tahaka ny nikarakaran'i Kristy antsika. Toy izany no anesoran'Andriamanitra ny tain-drendrika sy anadiovany ny volamena, ka anomezany antsika ny toe-po sy ny toe-tsaina ilaintsika.
Azon'Andriamanitra tanterahina tsy misy antsika ny asany. Tsy miankina amin'ny volantsika, na ny fotoantsika, na ny filofosantsika Izy tsy akory. Saingy sarobidy indrindra eo imasony ny fiangonana. Ao no itoeran'ny vatosoany sarobidy, vala misy ny andian'ondriny, ary iriny fatratra izy tsy hisy pentimpentina na fiketronana na izay toy izany. Fitiavana tsy hay lazaina no itiavany azy. Izany no nanomezany antsika fahafahana hiasa ho Azy, ary ekeny ho mariky ny fitiavantsika Azy sy ny fahatokiantsika Aminy ny asa ataontsika.
Apetrak'Andriamanitra eo anivon' ireo mahantra sy mijaly isika mba hizahana ny toetrantsika, hanehoana amintsika ny toe-pontsika. (...)
Mitaky fahafoizan-tena avy amintsika ny asa tsara, ary amin'izany indrindra no hahaizantsika mifehy tena. Mahatonga antsika hanohitra ireo fihetseham-po sy fironana ara-nofo ao amintsika izany adidy izany, ary raha tanteratsika, dia hahazoantsika fandresena miampy fandresena eo am-pitolomantsika amin'ireo toetra ratsintsika.
Tsy izay ampianarina eny amin'ny polipitra loatra no handresy lahatra izao tontolo izao fa ny fiainan'ny fiangonana. Manambara ny foto-pampianaran'ny filazantsara ny mpitory teny, fa ny fahamasinana iainan'ny fiangonana kosa no maneho ny heriny. — HP, t. 324