"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
Vakio ny Jao. 21:1-19. Inona no fahamarinana manan-danja ambara eto, indrindra momba ny fahasoavan Andriamanitra sy ny fanetren-tenan'ny olombelona?
Ny tanjon'ilay filazantsara no mamarana ny Jao. 20, raha ny lôjika dia ao no hamaranana izany saingy mbola misy toko iray fanampiny. Miantomboka amin'ny fiverenan'ny mpianatra sasany tany Galilia ny toko faha-21, ary nanoso-kevitra ny handaniana alina iray teo amin'ny farihy i Petera. Toy ny hoe niverina ny andro fahiny, ary niverina tamin'ny asa fanaony ireo mpianatra, dia ny fanaratoana izany. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy ireo tamin'io alina io.
Nony maraina, dia nisy olon-tsy fantatra iray teo amoron-drano nilaza tamin'izy ireo mba handatsaka ny haratony any ankavanan'ny sambokely. Rehefa izay dia nahazo trondro betsaka izy ireo ka tsy voasariny mihitsy aza ny harato. Tahaka ny tamin'ny niandohan'ny asa fanompoan'izy ireo niaraka tamin'i Jesôsy izany (jereo ny Lio. 5:1-11). Nahafantatra an'i Jesôsy avy hatrany i Jaona ka nilaza tamin'i Petera, izay nitsambikina hankao anaty rano ary nilomano nankeny amoron-drano.
Nametraka fanontaniana telo tamin'i Petera i Jesôsy. Mahakasika ny fitiavana ny Tompony avokoa izany. Talohan'ny nanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana dia nitompo teny mafy i Petera fa hahafoy ny ainy ho an'i Jesôsy mihitsy izy (Jao. 13:37). Tamin'izay no nilazan'i Jesôsy mialoha fa kosa no nasongadin'i Petera tamin'ity handà Azy intelo izy (Jao. 13:38). Tsy ny tenany fihaonana tany tany Galilia ity fa i Jesôsy: "Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho" - Jao. 21:17.
Misy olona sasany milaza fa ny matoanteny hoe agapaō, izay midika hoe "tia", no nampiasain'i Jesôsy raha nanontany an'i Petera (afa-tsy tamin'ny fanontaniana farany), ary i Petera kosa dia namaly mandrakariva tamin'ny matoanteny phileō, izay midika hoe "tia" saingy maneho fitiava-namana fotsiny izany. Izao no tian'izany hambara: tsy nahatanteraka ilay karazam-pitiavana ambony kokoa i Petera.
Raha ny marina anefa, ny valin-tenin'i Petera dia nifantoka tamin'ny fanetren-tena. Tao an-tsainy mandrakariva ny tsy fahombiazany ka izany no nampiasany tamim-panetren- tena ny fiteny somary "malefaka" kokoa satria tsy sahy nilaza zavatra betsaka momba ny tenany izy. Tsapan'i Jesôsy izany fanetren-tena izany, ary tonga zava-dehibe teo amin'ny famerenana an'i Petera ho amin'ny asa fanompoana indray izany. Tsy isalasalana fa anankiray amin'ny toetra tsara indrindra hoenti-manompo ny fanetren-tena, satria i Jesôsy Kristy no manjary ifantohana fa tsy ny tena.
Ny famerenana an'i Petera amin'ny laoniny sy ny anjara asany amin'ny maha-mpitarika azy tao amin'ny fiangonana voalohany no porofo goavana indrindra fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy. Ho sarotra tokoa ny hanazava ny toerana manan-danja notanan'i Petera raha toa i Jesôsy tsy namerina azy indray ho amin'ny asa fanompoana teo imason'ireo mpianatra hafa.
Nahoana ny fanetren-tena no manan-danja tokoa ho an'izay rehetra maniry ny hahalala ny Tompo? Eo anatrehan'ny hazo fijaliana, inona moa no ananantsika ka azontsika hireharehana?
"Nefa izao no lazain'i Jehôvah : Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao." - Isa. 49:25.
Mofon’aina:
Rehefa esorina tsy hiaro intsony ireo izay manaja ny lalan'Andriamanitra ny lalan' olombelona, dia hisy amin'ny tany samihafa fihetsiketsehana miaraka mba handringanana azy ireo. Rehefa manakaiky ny fotoana voatendry ao amin'ny didy, dia hioko ny vahoaka mba hamongotra io antoko ankahalaina io. Ho tapaka fa amin'ny alina fray voatendry no hanapotehana azy, ka hangina tanteraka ny feon'ny fisaratsarahana sy ny fanomezan-tsiny.
Mitalaho ny fiarovan'Andriamanitra ny vahoakany miely patrana, ny sasany any anaty ala, any an-tendrombohitra, ny sasany any an-tranomaizina, raha indreo manodidina azy ny fahavalony mirongo fiadiana, ampirisihin'ny anjelin'ny ratsy, ka vonona hamita ilay fandringanana farany. Amin'io fotoana io, amin'ny ora farany indrindra, no hisalovanan'Andriamanitry ny Isiraely hanafaka ny olom-boafidiny. (...)
Mirohotra ho amin'ny hazany ireo olona ratsy fanahy manao andiany; mihorakoraka sahady noho ny fandresena izy, manaraby sy miteny ratsy; amin'izay indrindra no indro misy haizina matevina noho ny haizin'ny alina mandrakotra ny tany. Dia misy avana mamirapiratra amin'ny voninahitra avy amin'ny seza fiandrianan' Andriamanitra, mamakivaky ny lanitra ary toa manodidina ny antokon' olona mivavaka rehetra. Tafajanona tampoka ireo vahoaka nisafoaka. Nangina teo ny antsoantsony sy ny fanarabiany. Hadinony ny antony naharomotra azy tamin'ireo hovonoina. Amin-korohoro eo am-piandrasana izay hidona no ibanjinany ny mariky ny fanekena nataon'Andriamanitra ka maniry indrindra izy ho voaro amin'ny famirapiratany mahery indrindra.
Injay feo mazava sy kanto ren'ny vahoakan'Andriamanitra manao hoe: "Miandrandra"; ary rehefamanandrandra ny fijeriny amin'ny lanitra izy, diatsinjony ny avan'ny teny fikasana. Misaraka ilay rahona mainty sy mampatahotra izay nanarona ny habakabaka, ary tahaka an'i Stefana, dia mampifantoka ny masony amin'ny lanitra izy ka mahita ny voninahitr 'Andriamanitra sy ny Zanak'olona mipetraka eo amin'ny seza fiandrianany.
Raha mbola eo am-pilentehana ao amin'ny haizina izao tontolo izao, ny fahazavana kosa dia mamirapiratra eo amin'ny fonenan'ny olo-masina. Handray ireo fahazavana misomambisamby voalohany avy amin'ny fisehoany (fisehoan'i Jesôsy ) fanindroany izy ireo. — Ma, t. 278